NANKAIZA IRENY NAMANA ?

Nampidirin'i dadarabe | 7 Okt, 2007


Nankaiza angaha, nankaiza ‘reo namana fahiny,
Niaraka nihira tantaram-pahafahana ?
Dia ireo izay nizarana ny mamy sy mangidy
Ary koa ny nofy sy androm-pahazazana.
Miantso aho nefa indrisy !
Na ako aza tsy misy !

Jereko ireny lanitra sy rahona miavosa,
Toa manafina any ‘reo andro teo aloha,
Dia ny andro feno kanto ka tena tiako loatra,
Nidify sa natory ? Angamba tsy mifoha !
Ny maso no jambena,
Ny saina no mihenahena.

Feno ahitrahitra ny andronay omaly,
Tsinjoviko fa lavitra sy sarotra banjinina,
Nankaiza angaha nankaiza ny andron-kalokalo?
Nankaiza no tsy hita tazonina, fihinina?
Nankaiza no tsy tazana ?
Nankaiza ireny namana ?

DadaRabe
La Charité
27/04/05   15:11


13 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "NANKAIZA IRENY NAMANA ?"

  1. Soanja ihany ity o.
    Miezaka nametraka ny valin'ilay vetso tary aho ry DadaRabe de tsy mety mi-post le izy fa nisy hadisoana kely nataoko. Hadinoko nametraka ilay numero ery ambany de tsy nety daholo ny taty afara.
    Na izany na tsy izany dia misaotra indray nitondra vaovao. Soanja

    Nampidirin'i Lofo 07 Okt 2007, 16:21
  2. Manao ahoana Soanja
    Nandalo tany Antsiranana aho ry Soanja fa iray andro ihany. Mahafinaritra foana.
    Tsy nitohy intsony ny tantara(ntsika) teny Ambre :-) Nahafinaritra é!
    Miandry vaovao avy any aminao.

    Nampidirin'i DadaRabe 07 Okt 2007, 16:54
  3. Salut, DadaRabe avy any Saint Pierre.
    Mpiara-mianatra fahiny, efa lasa confrère.
    Samy aty an-tany lavitra, noho ny carrière.
    Mbola hihaona ihany, mbola hifandona verres.

    Nampidirin'i lehilahytsyresy 08 Okt 2007, 04:17
  4. :-)

    Nampidirin'i ikalamako 08 Okt 2007, 10:42
  5. Manao kopatanana majinijinika ry zoky a, tonga soa indray!
    Nanao ahoana ny vakansy?

    Sahirana dia sahirana @ zao satria @ izao no tena betsaka ny asa, tsy afaka mivalapatra mikapalisa tahaka ny fanao taloha atsy antokontany be intsony lol.

    Bizzz

    Tsiky

    Nampidirin'i Tsiky 08 Okt 2007, 11:27
  6. Lehilahytsy resy,
    Isika ve ilay niaraka nivazo gitara ka tsy nahasakafo atoandro tao Ambatovinaky ? Tsy maintsy mihaona é!
    :-) foan ary Ikalamako ô !
    Manao ahoana i Tsiky ! Mahafinaritra foana ny vakansy. TSy misy hipetrahana saingy izay ilay tena mamay aminy é! Asa be zany ny an'i Tsiky ao ? Mazotoa é!
    DadaRabe

    Nampidirin'i DadaRabe 08 Okt 2007, 12:50
  7. Tena tadidin'i DadaRabe tsara tokoa kay ny fiarahana nitendry guitara indray andro tao Ambatovinaky.
    Fa toa tsy sakafo "atoandro" ilay hadino, fa sakafo hariva araka ny fitadidiako. ( Sa izaho ve sanatrian' izany no tratran' ny amnésie rétrograde ??? hi hi hi)
    Eny, i lehilahytsyresy mpitendry guitara ihany ity manoratra etoana. Sady mpiara-mianatra tamin'i DadaRabe nanomboka tamin' ny 1988 hatramin' ny 1996.

    Nampidirin'i lehilahytsyresy 08 Okt 2007, 18:29
  8. Tsy tadidiko intsony, fa ilay isika variana nitendry gitara dia lasa lavitra ka nanadino hatramin'ny sakafo.
    Tadidy daholo ireny kah !
    Ary manao ahoana any Japana any ? Efa tamana ? mino aho fa mahafinaritra matoa any ny akama.
    Mbola betsaka no ho resahina momba ireny nandrovitana pataloha teny ambony dabilion'Ankatso ireny.
    Courage é!

    Nampidirin'i DadaRabe 08 Okt 2007, 19:50
  9. Ary nankaiza i Soanja ?

    Nampidirin'i DadaRabe 09 Okt 2007, 01:54
  10. Akory Dadarabe,
    Tongasoa e. Tsy afaka madanlo matetika noho ny enjikenjika tato ho ato. Miarahaba tonga soa e,

    Nampidirin'i karako 13 Okt 2007, 11:26
  11. Miarahaba é! Ataovy miadana fa fianana daholo izany. Mazotoa !

    Nampidirin'i DadaRabe 13 Okt 2007, 14:37
  12. Azafady indrindra, DadaRabe o,
    Tena tiako tohizana tokoa iny ventsontsika iny saingy tsy mety tafiditra aho.
    Alefaso ao anie ity rah mety azafady.

    Tonokalon'i Dadarabe sy Soanja

    Nihaona tany Antsirabe izahay tamin'ny taona lasa.
    Voaresaka daholo ny tafasiry sy ny kinasa.
    Nody an-tanindrazana izy hamafy hatsarana.
    Hanome antsika fahafinaretan'ny maso misy firindrana.

    Tohizo hatrany ny tonokalonao fa mahafinaritra ny saina sy manome aina. Mankalaza! Soanja

    Nampidirin'i Lofo 14 Okt 2007, 03:50
  13. Andraso aloha Soanja fa very kely aho. Fa taiza ho aiza moa ny sujet-tsika. Tsy tany amin'ny "Ambre" ve ?

    Hay !!!!!!!! ie, 'zay vao tadidiko !

    Hay ve nody ikala ...oly !
    Izy mianakavy niaraka daholo ?
    Tena tsara izany misy ho vangiana
    Mba hitafasiry ny lasa tsy hay ariana.

    An'i Soanja indray ary é!

    Nampidirin'i DadaRabe 14 Okt 2007, 14:48