SARY SY VAOVAO TETO MADAGASIKARA (septambra 2007)
Nampidirin'i dadarabe | 6 Okt, 2007SARY TETO DAGO (tsindrio eo)
Dia faly miarahaba,
Nandehandeha teny. Mahafinaritra eto Dago.
Vao tonga teto Dago dia kotrana be satria nikarakara dossier be dia be.
Nivezivezy tany Toamasina foana. Henjana be ilay lalana fa miolakolaka be.
Misakafo ao Ambanitsena. Mandalo ao Manjakandriana, Moramanga. Midina an'i Mandraka. Tonga Antsampanana, Barikavily. Tonga any Toamasina ihany ny farany. (Dia miverina indray rehefa avy eo.... :-p)
Variana foana aho rehefa tonga eto Antananarivo na dia nandalo matetika aza aho tao ho ao izay. Mitombo ny mponina. Mihatsara ny tanàna na dia misy aza ny korontana kely. Be harena eto, dia be...fahantrana koa :-(
Tany Antsiranana vetivety fa tsy afa-nijanona ela. Finaritra foana rehefa mandalo an'Antsiranana na dia vetivety ihany aza. Mampahatsiaro tantara maro.
Dia manasa anao hijery ireo sary sy ny tantara miaraka aminy :-)
Izay indray aloha fa dia miarahaba anareo rehetra. (efa niarahaba tetsy ambony fa mamerina in-droa...)
DadaRabe
Nampindramina akama ilay izy dia tsy nitandrina i lery e. Za mo sendra tsy afaka t@ izay. Efa eny andalana mody hono ry zalahy vao mahatsiaro hoe aiza ilay baolina.
Nampidirin'i Kwasi 09 Okt 2007, 19:12Ny ankizy indray efa any an-tanan-dry zalahy any e :-)
Hahaha ! ahoana izany ry Kwasi à ! ny baolina tsy hita, ny ankizy eny an-tanan-dry zalahy.
Nampidirin'i DadaRabe 09 Okt 2007, 19:19Nefa kosa mety hoe fiaraha-monina daholo izany an! valala iray aza hono hifanapahana.
Nga hita e. Fa io ilay hoe fiainana daholo izany. Fa izay izany no mahatonga azy hoe sovenira e.
Nampidirin'i Kwasi 09 Okt 2007, 19:28Ny tenanay moa tsy dia havanana @ tononkalo fa raha tsy izany angamba an... hi hi
:-) Angaha misy havanana izany ry Kwasi à
Nampidirin'i DadaRabe 09 Okt 2007, 19:44Andramo fotsiny fa mikoriana ho azy rehefa avy eo.
Dia miandry izahay an !
Efa mba nanandrana ihany fa tsy tafa e!!
Nampidirin'i Kwasi 09 Okt 2007, 20:05Atomboy amin'ny hoe :
Nampidirin'i DadaRabe 09 Okt 2007, 20:13indray hariva izay
teny Andohalo teny.....
Ny foko midoboka
Fa mbola tsy reny
Inay eny fa maneno ilay anjomara
Mety ho poinsa ihany ve ilay tantara?
...hi hi aoka re ry DadaRabe a.
Nampidirin'i Kwasi 09 Okt 2007, 20:28Manja ! reveo miadana amin'izay fa efa miainga ilay revy!
Nampidirin'i DadaRabe 09 Okt 2007, 20:44Tohizo ary
Dia nibananaka ilay vavahady
Mety hanahirana ny tinady
Ny fo efa miontana ambony ihany
Ny maso anefa tsy maharaka izany
... aleo hividy beks alouuu, ha ha
Nampidirin'i Kwasi 09 Okt 2007, 20:54Angaha angano, hono, izy io? Tena tantara marina fa tsy angano.
Nampidirin'i Ryana 09 Okt 2007, 21:49hahahahaha
Mankalaza, Dokotera.
Kwasi>> dia tehirizo dia vakio indray dia manomboka ilay aingam-panahy. Jereo anie fa efa ao tsara mihitsy é!
Ryana>> Hay ! Tantara hitanao sy henonao sa tena niainanao ? Tsara kosa izany mamoaka hevitra kanto amin'ny tena zava-misy ety ambony tany izany. Andraso fa hianatra an'izany aho ;-p
Nampidirin'i DadaRabe 09 Okt 2007, 22:09Mankalaza anao tompoko.
HAy ve moza iznay ny anao tsy zavatra nisy no tantarainao fa zavatra eny ambony rahna eny â? Hitako no tsara koa!
Nampidirin'i Ryana 10 Okt 2007, 18:29Mankalaza!
Ryana
Arakaraka ny andro io Ryana à! indraindray zavatra heno, indraindray zavatra nisy, indraindray zavatra foronina, ary indraindray...zavatra niainana.
Nampidirin'i DadaRabe 10 Okt 2007, 20:04Mianatra anao é!
DadaRabe
Aleo fa mba hi travy aho ry DadaRabe dia alefako hotsarainao eto a.
Nampidirin'i Kwasi 10 Okt 2007, 20:48Kwasi>> Reveo manja é!
Nampidirin'i DadaRabe 10 Okt 2007, 21:02Dia omeo an'ilay malala rehefa vita. Ity hoe ny tonokalon'i Kwasi ;-p
Aza dia mampiresaka re ianao, Tompoko ô! Ianao indray ve no hianatra aminay? TEna tsy marina ary tsy ho marina, na oviana na oviana.
Nampidirin'i Ryana 11 Okt 2007, 00:49Mankalaza ê!
Ryana
Nahoana kosa ry Ryana ?
Nampidirin'i DadaRabe 11 Okt 2007, 01:50Ifampizarana anie ny tsara sy ny soa amin'ity fiainana ity é!
avy natao interview tao amin'ny journal n'ny RFO aho io (resaka médical) izay vao tonga ato an-trano mihitsy.
Ndeha hahandro vary aloha é!
Ray nankaiza i Ryana ?
Nampidirin'i DadaRabe 12 Okt 2007, 12:53"Ary" fa tsy "Ray"
Nampidirin'i DadaRabe 14 Okt 2007, 15:01Nifamadika