SARY SY VAOVAO TETO MADAGASIKARA (septambra 2007)

Nampidirin'i dadarabe | 6 Okt, 2007

SARY TETO DAGO (tsindrio eo)

Dia faly miarahaba,

Nandehandeha teny. Mahafinaritra eto Dago. 


Vao tonga teto Dago dia kotrana be satria nikarakara dossier be dia be.

Nivezivezy tany Toamasina foana. Henjana be ilay lalana fa miolakolaka be. 
Misakafo ao Ambanitsena. Mandalo ao Manjakandriana, Moramanga. Midina an'i Mandraka. Tonga Antsampanana, Barikavily. Tonga any Toamasina ihany ny farany. (Dia miverina indray rehefa avy eo.... :-p)

Variana foana aho rehefa tonga eto Antananarivo na dia nandalo matetika aza aho tao ho ao izay. Mitombo ny mponina. Mihatsara ny tanàna na dia misy aza ny korontana kely. Be harena eto, dia be...fahantrana koa :-(

Tany Antsiranana vetivety fa tsy afa-nijanona ela. Finaritra foana rehefa mandalo an'Antsiranana na dia vetivety ihany aza. Mampahatsiaro tantara maro.

Dia manasa anao hijery ireo sary sy ny tantara miaraka aminy :-)

Izay indray aloha fa dia miarahaba anareo rehetra. (efa niarahaba tetsy ambony fa mamerina in-droa...)

DadaRabe


39 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "SARY SY VAOVAO TETO MADAGASIKARA (septambra 2007)"

  1. Misaotra lesy DadaRabe tamin' ny infos a. Mandeha tokoa izany fotoana izany. Mbola tsaroako foana i DadaRabe taloha efa elabe ilay nitondra walkmann rehefa mandeha mianatra teny amin' ny Conaco 4. (vazivazy io)

    Nampidirin'i lehilahytsyresy 06 Okt 2007, 06:47
  2. Tena marina izany ry lehilahytsy resy. Tantara efa ela fa toy ny vao omaly rehefa tsaroana. Tadidy ry Andriamiandra, Ramarokoto, izay efa lasa ary koa ry Blaise, "bebe Ratsimamanga", Ramarojaona, sns é! Nandalo teo amin'ny conaco 4 aho tamin'ny herin-taona. Tena tsy niova teo ivelany teo fa isika sisa tsy teo.....
    Tadidy kah !

    Nampidirin'i DadaRabe 06 Okt 2007, 13:31
  3. ela izay ry DadaRabe, sady manja ilay fampangotsohana anay fa nalainao sary mihitsy ny tanànanay teny Anjohy (en face-dRazily io). Tokony mba nalainao sary koa ny tsenakely, eo am-pita mihitsy ny tranon'i dadatoanay fa nipetraka tao ihany izahay, fa ny taloha tena nipetrahanay ela ny trano faharoa manaraka ilay tohatohabato midina any Ambanidia (fa tsy ilay mankany Ambatondrakoto).
    Dia sady vedety miseho télé i DadaRabe, lol.

    Nampidirin'i ikalamako 06 Okt 2007, 14:22
  4. Manao ahoana Ikalamako à
    Hay ve ianao teny Anjohy é! izaho nipetraka tetsy Ambatovinaky saingy mpankeny anjohy (isan'andro :-p). Mbola ao foana i Lapasoa. NY tsena no vao namboarina tsara be mihitsy.
    Ianao izany mahafantatra an'i Paoly Be ? Tsy tazako intsony ileiny fa toa tsy hita hatramin'ny rotaka hono ! tsy haiko aloha é!
    Dia mampahatsiaro ny fahiny é!

    Nampidirin'i DadaRabe 06 Okt 2007, 14:35
  5. Manao ahoana ianao DadaRabe â!
    TSara be ireo sary fa izao kosa hoy aho e: tsara ilay paozy rehefa maka sary. "Tena mizesta be" araka ny fitenenana. Mankasitraka ê.

    Nampidirin'i Ryana 08 Okt 2007, 16:10
  6. Hahahahahhha!
    Toran'ny hehy aho. Mizesta ve ? :-)
    Ianao aloha manao ahoana Ryana hatrami'nizay elaela izay à ? salama ?

    Nampidirin'i DadaRabe 08 Okt 2007, 17:30
  7. Mahafinaritra ny sary ry Dadarabe a. Mahamanimanina e. Ilay eo Andohalo tena ahatsiarovana ny fahiny: mba nanana tsenaina teny manko ny tenanay t@ zany fotoana.:-)

    Nampidirin'i Kwasi 08 Okt 2007, 20:42
  8. Kwasi, Hay ny akama teny Andohalo ! Tanàna niarahana saingy tsy nifanojo é! Nefa koa mety nifanojo fa samy variana nihinana sambosa sy nem. :-p
    manja é!

    Nampidirin'i DadaRabe 08 Okt 2007, 20:59
  9. Salama tsara aho, Dokotera, fa misaotra. Ianao moa izany efa tafaverina any amin'ny toeraan iasànao izao sa mbola "any ho any" ?
    Raha tafaverina mantsy ianao dia hafàna indray ny resaka eto izany.
    Mankalaza!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 08 Okt 2007, 23:39
  10. Efa amin'ny toerana hiasako aho izao kah ! tsy any ho any intsony :-) Mampihomehy ahy indray izany.
    Mankalaza anao ihany koa tompoko.
    Dia miandry ny manaraka ary é!
    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 09 Okt 2007, 01:14
  11. Ka ilay hoe "any ho any" anie tonga anamin'ilay hira hoe "any ho any izay ilay havcako..."
    hahahahhahaaha
    Mankasitraka!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 09 Okt 2007, 10:16
  12. Ka manao ahoana é!
    Fa ianao tokoa moa aiza ny "any ho any" misy anao ?
    Manombboka mangatsiaka kely eto.

    Nampidirin'i DadaRabe 09 Okt 2007, 13:01
  13. Izaho ve? "Any ho any" akaikin'ny nisy anao taloha, inoako. Fa tsy haiko ny hoe taloha tamin'ny vaninandro manao ahoana.
    Fony tany Diégo? sa Ambatovinaky? sa La Timone? sa Turin (araka io tononkalo vao hitako eo io), sa St Pierre et Miquelon?
    ???
    :-)
    Mankalaza ê!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 09 Okt 2007, 15:21
  14. Ianareo tompoko manao ankamantatra sarotra vinaniana. Dia mangina ny tena é!
    Andefaso tononkalo iray ary ampidiriko é!

    Nampidirin'i DadaRabe 09 Okt 2007, 15:53
  15. Hi hi, tsy hoe nianatra teny ry dadarabe fa mpitsena ankizy teny a.
    Dia mba nilalao baolina teo koa e, teo no nahavery an'ilay baolina tsy foiko izay

    Nampidirin'i Kwasi 09 Okt 2007, 16:27
  16. ANKAFIZIKO NY ANIO
    (Carpe diem)

    Raha sendra any aminao
    Ka misy sombim-pitiavana,
    Tantavano sy kenao
    Mba ho ela vao hifarana…

    Raha sendra ianao mahatsikaritra
    Izay mba mety ho lafintsarako,
    Kobony any mba haharitra,
    Ho ravaky ny tantarako…

    Raha sendra ianao maminavina
    Ny hizara tapa-dàlana amiko,
    Aza ambara, aoka hangina:
    Ny mahita anao dia efa mamiko!

    Tsy hoe ianao no tiako hoferana
    Fa iriako hateza ny “isika�;
    Ny fenitro? Tsy fanamperana:
    Ny anio izao no paradisa!

    Ryana
    (02/10/07)

    Nampidirin'i Ryana 09 Okt 2007, 16:48
  17. Kwasi>> fa very ahoana ilay baolina. Izahay koa fahiny efa very baolina. Nisy niara-nilalao taminay tao amin'ny St Michel dia nentiny nandositra. Iray volana taty aoriana dia tratranay ten Andohalo ry zalahy. Nalainay ny baolina. Loza fa maimbo trondro be. Azo ihany.
    Ary aiza izao ilay ankizy nalaina ry Kwasi ? :-)

    Nampidirin'i DadaRabe 09 Okt 2007, 17:29
  18. Tsara ilay tononkalo ry Ryana à!
    Ilay lohateny !!!! Mitovy !!!!
    Ity misy tononkalo nosoratako tamin'ny 2001

    ANDROANY ALOHA….(CARPE DIEM)

    Androany aloha…hifaliako ireny tsikitsikinao,
    Hiravoako ireny hantahantanao
    Sy ny endrikao toa afo manazava ahy,
    Ka mamelombelona ny foko sy fanahy.

    Dia ny hirahiranao no entiko handrotsiana
    Ny harivako tontolo sy ny fiainako sondriana,
    Eo an-tananao no ametrahako ny aiko
    Ka ny tambitambinao no hany mba lalaiko.

    Fa androany…tsy handefa saina aho,
    Tena hiaina ny fitia, sanatria tsy ho kilalao!
    Fa izao tontolo izao dia hidify toy ny zavona,
    Ianao… Ianao ihany no hany tiana sy toavina.

    Ny ampitso kosa!….Aleo ho any!
    Tsy handefasako eritreritra, tsy atsampiko vinany;
    Izay avoakany any… tsy ilaiko ho fantarina,
    Fa androany aloha… Aleo aho hiaina fahasambarana.

    DadaRabe
    La Timone
    11/05/01 17:29

    Nampidirin'i DadaRabe 09 Okt 2007, 17:32
  19. Mba tena raharaha izany koa!
    Mankasitraka ê!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 09 Okt 2007, 18:54
  20. Angaha hita izy ity tompoko fa dia misy eny amin'ny fiainana eny fifandrifian-javatra (na dia mielanelana 6 taona aza an).
    Tsara ny tantaran'ilay tononkalo-nao. Mba itantarao angano fa mahafinaritra.
    Mankasitraka tompoko

    Nampidirin'i DadaRabe 09 Okt 2007, 19:07