VELOMA VETIVETY (31/08/07)
Nampidirin'i dadarabe | 31 Aog, 2007Miarahaba,
Mametraka ny veloma vetivety amintsika namana rehetra eto. HIvadika kely any Dago aho ka tsy fantatro hoe ahoana no ahitako connexion any.
Rahampitso sabotsy 1er septembre aho no miala eto St Pierre. Mandalo ao Montréal aho dia mijanona kely ao. Mijanona tapakandro ao Paris dia mitodi-doha ho any Dago. Alatsinainy 3 septembre vao tonga any!!!!
Mbola kandra be koa no miandry ao Dago fa dia ho hita eo daholo izany. Tantaraiko ihany amin'ny manaraka.
Mahafinaritra foana ny fiarahana. Izay fa dia mandra-pihaona é!
Samia ho tahian'Andriamanitra !
DadaRabe
St Pierre faha 31 aogositra 2007
Veloma madinidinika dia Soava dia e!
Nampidirin'i karako 31 Aog 2007, 22:08Misaotra é! rahampitso aho mandeha.
Nampidirin'i DadaRabe 31 Aog 2007, 22:20Soava dia ooo !
Nampidirin'i Pissoa 31 Aog 2007, 23:10veloma ry nao a!
Nampidirin'i Tsiky 31 Aog 2007, 23:16Misaotra Pissoa.
Nampidirin'i DadaRabe 31 Aog 2007, 23:50Veloma Tsiky ô mampamangy any @ beditra :-)
mandra-piblaogy indray DadaRabe o ! aomby lahy mazava loha, tsara mandeha tsara miherina e...
Nampidirin'i ikalamako 01 Sep 2007, 00:01Mandra-piblaogy é!
Nampidirin'i DadaRabe 01 Sep 2007, 00:13Ho an'ny fans rehetra dia fantaro koa fa tsy ny haisoratra ihany no manavanana an'i DadaRabe fa izy dia mpitsabo tena manampahaizana tokoa,anisan'ny sangany t@ promotion ary izany no nahatafita azy nanovo sy hanohy fianarana taty an-dafy.Dia mahereza sy mahazoa fahafinaretana daholo e.
Nampidirin'i confrère 01 Sep 2007, 02:11veloma DadaRabe a ! soava dia, mirary soa hatrany. Andriamanitra anie hitahy anao @ izay ataonao rehetra
Nampidirin'i piso 01 Sep 2007, 14:05mankanesa eny amin ny fidinana ambohijatovo akaiky ny fianarana clairefontaine, fa misy connexion tsara ao. na mankanesa etsy akaikin ny jirama ihany koa eo akaikin ny sinoa etsy akaikin ny trano fa misy connexion azo hiafina ao.
Nampidirin'i R... 02 Sep 2007, 20:13Miarahaba vetivety avy aty Toamasina
Nampidirin'i DadaRabe 05 Sep 2007, 19:59aza mampilendalenda amin'ny ranom-boanio moa ry DadaRabe a !
Nampidirin'i ikalamako 05 Sep 2007, 20:57Miandry tononkalon-drasaraka izany izahay.
Mampamangy ao an-tanàna ao an !
tongasoa aty dadarabe. Tsy hitanao ho mandeha haingana ve le fotoana lalovana aty Dago :-). Ny ahy manko izay efa miantsasaka sahady 'ko hihihi
Nampidirin'i Tokinao 06 Sep 2007, 16:08MIARAHABA e !
Tonga soa any an-tanàna
Manitsaka ny tanindrazana
Mihaina rivotr'i Gasikara
Maheno feon-gasy miresaka
Mahita Malagasy mivezivezy
Mahita ireo nilaozana
Mifankahita amin'ny malala
MIARAHABA e !
Hafatra apetrako
Rahefa mandalo ao
Ambohijato ianao
Dia tsarovy
Ratantantan...
Milevona ao
Ny tavoniny...
Hiverina hoe !
Zava-drehetra
Misy fotoanany
...
MIRARY SOA hoe !
VELOMA hoe !
MBA HIFANKAHITA TAVA e !
...
Nampidirin'i Olga HELISOA 07 Sep 2007, 02:37