MIANTSAMBO (Tononkalon'I Karako)
Nampidirin'i dadarabe | 30 Aog, 2007Lasa ny embona, ambiroa,
Midonan-tsento, toro fo !
Ampielezana tokoa...
Mahatsiaro ilay Akany nihaviana,
Ny fahoriana sy ireo fifaliana,
Teo anivon'ireo kolo tiana,
Teo anilan'ny fianakaviana.
Vitsika momba kitay e !
Vorona saraka izahay !
Harivariva an-tany tsy hay...
Vahiny mandriaka eny an'ony e !
Mandranto ihany dia hiserana,
F'ilay tanin'ny tavony...
No hitodiana sy hitoerana.
Karako
2007-06-21

I Karako dia namana mipetraka any Québec.
Nampidirin'i dadarabe 30 Aog 2007, 18:20maro zalahy nareo manan-talenta e !
Nampidirin'i ikalamako 31 Aog 2007, 01:31Ianao koa anie afaka manakanto r'Ikalamako é!
Nampidirin'i dadarabe 31 Aog 2007, 01:34Miandry anao !
:-)
Nampidirin'i ikalamako 31 Aog 2007, 01:57raha tsy hay tsy hibitabitahana ry Dadarabe.
Angaha misy mahay izany ry Ikalamako à
Nampidirin'i DadaRabe 31 Aog 2007, 03:55Izaho aloha tsy mahay fa rehefa mba taitaitra iny dia manandrana e.
Nampidirin'i karako 31 Aog 2007, 19:07:)
Tairo foana é! asa tokoa manao ahoana ilay miantsambo fa mbola tsy nataoko loatra.
Nampidirin'i DadaRabe 31 Aog 2007, 20:00Ny mandeha barge diégo-Cap diégo no efa nataoko.
Ny ahy in-1 mandeha ihany koa. Nosy Be - Mahajanga t@ 2002. Nanao mission Nosy be. Nigrevy Air Mad t@ ireny gidragidra ireny. Dia ny tena anefa tsy maintsy mody ka dia aleo nandeha sambo sao...
Nampidirin'i karako 31 Aog 2007, 22:07Hay moa misy sambo mampitohy ny morontsirak'i Madagasikara !
Nampidirin'i DadaRabe 31 Aog 2007, 22:21Sambo manao Nosy Be Mahajanga izy io fa tsy haiko na mitohy lavidavitra na tsia. Mahafinaritra ihany aloha e
Nampidirin'i karako 08 Sep 2007, 02:44