AIX
Nampidirin'i dadarabe | 29 Aog, 2007Rotsa-kerika manify ny eto Aix,
Ny embona manaikitra,
Mahatsiaro anao ry tany mamy,
Any ho any !
Lavitra tsy hita kanefa ao am-po,
Tsy ho lo !
Any i dada sy i neny…fahatsiarovana !
Ka torovana,
Mahatsiaro ny omaly sy ny lasa,
Tsy voasasa
Fa miraondraona ao anaty,
Tsy ho faty !Ilay tanàna nahalehibe sy nitaiza,
Moa mba aiza ?
Ezahiko akimpy ny masoko ahita
Odiako toy ny hoe eo anilanao
Ny foko mitalaho.
Rotsa-kerika ho ritra sy ho lany,
Lasan’any !
Ka hifoha an-torimaso aho hijery,
Hitafy hery,
Hiatrika ny ady, tampify sy efa raikitra…
Mangitsy i Aix !
DadaRabe
Aix-en-Provence
26/01/04 13 :37

Ny dia an-tongota aloha tsy olna fa efa zatra ny tenanay. Tsy manana fiara aho eto ka efa ho 3 volana izao tsy nitaingina izany. Tsy tadidiko intsony aza hoe ahoana moa izany mitaingina fiara izany!
Ilay sarety no manahirana ahy kely satria tsy zatra manao taingim-bozona loatra aho nefa....misy fiatombohany foana ny zava-drehetra
Nampidirin'i DadaRabe 30 Aog 2007, 17:47TAndremo raha mitondra fiara ianao izany any Madagasikara, sao latsaka ao anaty lavaka...
Nampidirin'i Ryana 30 Aog 2007, 18:10Ilay mandeha sarety anie ny sarety no taingenana DadaRabe ka tsy azoko ny hoe manao taingim-bozona???
Eny ary re tompoko. HItaingina sarety izany koh !
Nampidirin'i DadaRabe 30 Aog 2007, 18:12Ilay voatiry ery anosikely no mahazatra ahy aloha é!
HAy ve Tompoko ô! Ka na voatiry eny Anosukely aza anie raha tsy diso aho ilay voatiry no taingenana. Sa ilay soavaly? Ianao angaha Lemizo???
Nampidirin'i Ryana 30 Aog 2007, 18:17cow boy manao satroka sy boty santyag aho dia mbola hiseho gazety sy télé. :-p
Nampidirin'i DadaRabe 30 Aog 2007, 18:47hay ve moa ê? :-D
Nampidirin'i Ryana 30 Aog 2007, 18:58tsarà ê!
Ryana
film mbola handeha io fa tsy mbola nivoaka an!
Nampidirin'i DadaRabe 30 Aog 2007, 19:39