DIAM-PENINAO (Tononkalon'i Tsiky)
Nampidirin'i dadarabe | 28 Aog, 2007
Diampeninao,
Rangorangon-tsoratsoratra,
Mahasodoka ny fanahy,
Mampandrongatra tsiahy,
Namoha ratra efa nanolatra!
Nefa...
Satry foana ho vakiana,
Mahasondriana, mahavariana
Mitondra vetso, nofinofy
Manamaivana ny rofy
Ho raketiko any ho any.....
Tsiky (Wanadoo)
Tononkalon'i Tsiky !
Nampidirin'i dadarabe 28 Aog 2007, 00:43Namana mpanao tononkalo ao amin'ny wanadoo.mg
:-)
Nampidirin'i ikalamako 28 Aog 2007, 01:18Sali, sali, sôtra zoky a, za tena mbola lavitrezaka ny hahavitako manokatra bilaogy, refa tonga zany fotoana zany ianao no voalohany hahala e!
Nampidirin'i Tsiky 28 Aog 2007, 10:33Mankasitraka fa nosoratako ho anao koa ange io e!
Dia misaotra an'i Tsiky é!
Nampidirin'i DadaRabe 28 Aog 2007, 13:19Rehefa misy dia teneno foana. Izahay moa ho aiza fa eo foana.