VIZAKY NY MIADY
Nampidirin'i dadarabe | 27 Aog, 2007Indraindray ny tena vizaky ny miady,
Drodroky ny tolona
‘Zay efa tsy omby tratra sy mby ambavahady.
Zary tsy mivonona
Fa miaiky izay ho anjara,
Na ratsy na ho tsara…
Dia io fa mitanondrika tsy sahy mitraka intsony,
Fa miandry izay ho rariny, miandry ny any ambony.
Indraindray ny tena toa lanaky ny dia,
Fiakarana mideza !
Ny ampitso toa tsy tazana fa maizina ny aty !
Maranitra ny hareza…
Ary toa mandidy,
Tsy misy mba safidy !
Iaretana ny sarotra sy sompatry ny tany !
Ny fo mivakivaky, ny maso toa tomany !
Indraindray ny tena mangidingidy vava,
Mafaitra hatrany anaty !
Izay jeren’ny maso toa simba ravarava
Ka hila tsy ho tanty !
Manjavona izay hita,
Ny aina mangatsiaka,
Dia manontany tena hoe ahoana re ny ampitso ?
Mba hisy andro mihiratra sa mbola ho haizim-pito ?
DadaRabe
St Pierre et Miquelon
16/08/07 16 :21
TSara be!
Nampidirin'i Ryana 27 Aog 2007, 10:18Ryana
mankafy foana izahay e !
Nampidirin'i piso 27 Aog 2007, 11:16Misaotra é!
Nampidirin'i DadaRabe 27 Aog 2007, 13:23Mitohy ny tolona :-)
Mahereza e! tsy maintsy miady isan'andro tsinona ko
Nampidirin'i karako 27 Aog 2007, 19:14Izay mihitsy ilay fiainana ry Karako. Raha tsy miady intsony dia efa vita izay ny tantara.
Nampidirin'i DadaRabe 27 Aog 2007, 20:00Faly aza mbola miady é!
Sa ahoana ?
tsara be !
Nampidirin'i pissoa 27 Aog 2007, 22:40miandry ny manaraka indray, hi hi hi !
dia tsy kivy no ady eo rehefa tonga izay "indraindray" izay, sa tsy izany ?
Nampidirin'i ikalamako 28 Aog 2007, 00:16Misaotra an'i Pissoa!
Indraindray ihany Ikalamako à!
Nampidirin'i DadaRabe 28 Aog 2007, 00:35Ie, reraka miady indraindray. Nefa raha mbola misy ny hery dia andao foana e...
Kajo (reraka no dikany... :) )
Handroso ary ve sa hihemotra ?
Ny lalana ity mbola lavitra...
Ny aina miha-kely miferotra !
Hanezaka handeha sa hiato ?
Ny dingana hatao toa haharitra...
Tena tsy ho vita ato ho ato !
Hanainga aho tsy hiverina ilalana
Ho tratrariko ihany ny tanjoko.
Ny fiatona no asiako mahalana
Rehefa mamaly ireo ranjoko.
2007/07/19
Nampidirin'i karako 28 Aog 2007, 19:17Bravo Karako !
Nampidirin'i dadarabe 28 Aog 2007, 21:48An'i Karako ve io ?
Teneno aho raha azo ampidirina miaraka amin'ny tononkalon'ny namana !
Tsy maninona ka. Mba manoratratroratra eny indraindray e. Tsy "matihanina" sy katraka be toa an'i Dadarabe akory a ;)
Nampidirin'i karako 29 Aog 2007, 02:39Mazotoa e
Ka ilay izy anie ry Karako tsy misy maty hanina fa samy mandrangotra izay azo soratana eo é!
Nampidirin'i DadaRabe 29 Aog 2007, 14:34Rehefa mivoaka ny ao anaty dia efa manja.
Sa ahoana ?
Izay aloha e. Rehefa tafavoaka marina izay te-hivoaka avy ao anaty dia izay.
Nampidirin'i karako 29 Aog 2007, 16:15:)
Finaritra e
Rehefa vakiana anie ireny taona maromaro aty aoriana ry Karako dia mahalasa saina mihitsy é!
Ka manao ahoana ao Québec ao ?
Nampidirin'i DadaRabe 29 Aog 2007, 16:22Izaho mandalo ao Montréal amin'ny sabotsy izao. Escale fotsiny.
Mbola tsara ihany ny andro izao. Vao lasa nilomano any izao ny ankizy.
Nampidirin'i karako 29 Aog 2007, 19:09Nisy eritreritra kely ihany hoe handalo ho any Montréal @ fandalovanao ao. Sady mitsangatsangana. Saingy misy fivoriana kay ny gasy eto @ io Sabotsy 1 sept io. Hiaraka hanao fotoambavaka @ gasy avy any Montréal sy Ottawa dia avy hanao BBQ.
@ manaraka mino aho fa mbola hihaona e. Hitondray rivo-dranomasina avy eny @ Bord de la mer e. Tandremo sao marary kibo @ môsakiky an !!!
Misy foana fotoana hifankahitana é!
Nampidirin'i DadaRabe 29 Aog 2007, 19:19Tena mety handalo any Mahajanga aho raha tratrako.
Tamin'izaho nandalo tany desambra tsy tafahinana mosakiky fa sambos no hitako tao. Iray andro ihany koa aho no tao.
Soava dia e! Mampanembona ny any @ tanàna koa rehefa maheno olona handeha toy izao an...
Nampidirin'i karako 29 Aog 2007, 20:53Ho tsara mandroso, ho tsara miverina
Misaotra ry Karako à! mbola eto aloha hatramin'izao é!
Nampidirin'i DadaRabe 29 Aog 2007, 20:58dommage qu'il n'y ai pas de trad, de ce que je peux comprendre ça a l'air d'etre bien comme txt !
Nampidirin'i Sandra 02 Sep 2007, 10:43