MISY TOERANA (Tononkalo'i Tia Namana)

Nampidirin'i dadarabe | 25 Aog, 2007

Misy toerana iray tiako hitondrana anao,
Tena mifandrindra indrindra amin'ny fitiavanao,
Any misy renirano fanjonoako isan'andro,
Raha vaky kely foana ka misondrotra ny andro.

Any misy dobo izay filomanosako matetika,
Ary ery an-tsisiny eny alaala mikoretika,
Any misy lolo maro izay fijaikiko mazàna,
Fa mamelatrelatra eny raha tanehin –kafanana.

Any misy voninkazo afangaroko ampanga,
Vony dia mavokely, menamena, mangamanga,
Any misy voron-kely velon-tsioka vao maraina,
Any misy rivo-tsoa mba mamelombelona aina.

Any misy tanimbary manodidina ny vohitra :
Isan-taona, isan-taona, sompitra no mitontohitra !
Any misy tranonay, mitafo bozaka matevina,
Ary ao akaikiny ao....
Ao i Dada no milevina .

Any misy.....

TIA NAMANA

10 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "MISY TOERANA (Tononkalo'i Tia Namana)"

  1. I Tia Namana dia mpiara-manao tononkalo ao amin'ny wanadoo.
    Misaotra azy. I Amour no pseudo-ny ao.

    Nampidirin'i dadarabe 25 Aog 2007, 21:44
  2. mampitony be ilay tononkalo Nampidirin'i riri 26 Aog 2007, 23:02
  3. Mampandefa eritreritra.

    Nampidirin'i dadarabe 27 Aog 2007, 03:34
  4. Latsaka ny ranomasoko namaky ilay tononkalo ry Amour a, any ho any marina izay ilay Dadabe tsy foiko toa tsaroako ny zavatra fataonay fony kely ny zavatra tantarainao. Ny fanjonoana ary amorom-parihy, ny fanenjehana lolo sy angidina, ny muguet mamelana, ny rehetra....sniffff

    Nampidirin'i Tsiky 27 Aog 2007, 12:06
  5. Mampanonofy.
    I tsiky ! efa nosoratako ho anao tary amin'ny wanadoo koa. Amin'ny tononkalonao. Raha mety ianao dia ampidiriko ato koa ?

    Nampidirin'i DadaRabe 27 Aog 2007, 14:35
  6. Oui tsy misy olana ka, raha mazoto aza ise dia apetraho ato daholo e, ataovy hoe tononkalon'ny Vahiny na namana sa tsy mety?
    Hiverenako le tononkalon'i Amour, tena mahalatsa-dranomaso kely, indrindra ilay farany hoe ao i Dada no milevina.

    Dadabe ataoko veloma ampitiavana,
    Ianao ilay nandao anay mbola mavana.

    Nampidirin'i Tsiky 27 Aog 2007, 16:54
  7. Ok Tsiky à!

    Nampidirin'i DadaRabe 27 Aog 2007, 16:57
  8. :-)

    Nampidirin'i ikalamako 28 Aog 2007, 00:20
  9. hahaha ie, nandalo Ikalamako

    Nampidirin'i DadaRabe 28 Aog 2007, 00:34
  10. Manohina ny fo ny hatsarany!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 28 Aog 2007, 15:47