Nahoana no DadaRabe ?

Nampidirin'i dadarabe | 20 Aog, 2007

     Efa fito taona izao no nitondrako io pseudo io. Talohan’ny taona 2000 dia ny anarana “RABE Paoly” no nanoratako tononkalo. Efa ela ihany satria efa tena ela mihitsy aho no nanoratra. Mbola teny amin’ny “collège”. Efa ela izany an ! Efa tany amin’ny 25 taona lasa tany.

    Tamin’ny taona 2000 angaha iny i Mialy RABE no  nampiditra tononkaloko iray tao amin’ny serasera.org (Hery tsiky dia ampy). Ilay hoe “Raha lasa ianao” no nalefany. Avy eo aho nandefa ilay hoe “siligaoma roapolo”. Dia nanomboka nanoratra tao aho, dia tao amin’ny serasera.com (Rao) koa. Dia avy eo nanomboka nandefa an-gazety maro (Tribune, Lakroa, gazety hafa taty an-dafy). Radio toa an’i RTA  (I Francis Turbo no mpamaky azy ao). Tao koa ireo site toa an’i mosikagasy (Malala), Haisoratra, Vetsotononkalo, Mahagaga Madagasikara (Olga Helisoa), Mialy RABE. Fony izahay tany Aix-Marseille dia nandray anjara tamin’ny hetsika kolo-tsaina maro izahay sy ireo namana (Hira, tononkalo).

    Tamin’ireny “raharaha 2002” ireny dia nanoratra tononkalo maro aho. Mbola atambatro ho amboara iray ireny rehefa atsy aoriana kely.

    Tamin’ny 2003 aho dia namoaka amboran-tononkalo mitondra ny lohan-teny hoe “Dia nisy ny mazava”. I Fanja Andriamanantena no nanao ny teny fanolorana. Nanonta boky 200 in-droa aho dia tsy nanonta intsony. Tantara hafa koa ny amin’iny !

    Nanangana ny Havatsa UPEM Frantsa izahay taona vitsivitsy lasa izay. Maromaro ny namana mavitrika tao. Nahafinaritra !

    Fahatsiarovana : Tamin’ny taona 2000 tany ho any dia vitsy dia vitsy ny mpandefa tononkalo amin’ny internety. Izaho sy ilay namana iray izay “Masvotok” (Nankaiza?) no mpiara-milalao tononkalo tamin’izany. Ankehitriny dia maro tokoa no manoratra ary tsara be daholo. Manala azy matetika ao amin’ny wanadoo koa ny tenako. Mankasitraka manokana ireny namana DFC. Tsy manadino akory i DadaRabe ! (fa miha-antitra fotsiny J )

    Nahoana ary no DadaRabe ?

    Nanazava tamin’ny zanako aho hoe : Hasina RABE no anarany. Hasina no fiantso azy, dia ny anaranay rehetra “RABE”. Izany hoy aho no fanao anarana. I dada izany hoy izy “Dada RABE”. Dia raikitra ! Tsy misy hifandraisany mihitsy amin’ny “dadarabe”. Izany indrindra no mahatonga ny fanoratana azy hoe “DadaRabe”. Tandremo !


    Tsarà daholo é!

DadaRabe
Saint Pierre et Miquelon
Alatsinainy 20/08/07


27 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Nahoana no DadaRabe ?"

  1. Miarahaba an'i Karako.
    Tafaresaka tamin'olona momba an'i Québec aho omaly. Mahafinaritra hono ao.

    Nampidirin'i DadaRabe 24 Aog 2007, 21:32
  2. Ie, mahafinaritra tokoa rehefa été toy izao. Asa na azonao an-tsaina fa efa niresadresaka Québec sy Mahajanga isika fa ato @ vondrona aho mba mampiaza ilay hoe "karako". Mazotoa e

    Nampidirin'i Karako 24 Aog 2007, 21:44
  3. Fantatro kah !
    FA nisy fianakaviana gasy niara-nisaka tamiko omaly niresaka an'i Québec. "Tsara" hono ny accent frantsay ao Québec fa tsyohatry ny ao Montréal.(Relatif ny tsara a!)

    Nampidirin'i DadaRabe 25 Aog 2007, 02:38
  4. Ny accent montréalais tsy dia henoko loatra. Fa ny eto aloha dia hafa tokoa e. Ilaina fahazarana ny mihaino azy. Na ny voambolana ampiasaina koa aza misy tsy fandre taloha.
    Io fianakaviana io izany mipetraka aty Canada ?

    Nampidirin'i Karako 25 Aog 2007, 05:33
  5. TSy mipetraka any Canada kah ! Ary misy dokotera gasy ve any aminareo ?

    Nampidirin'i DadaRabe 25 Aog 2007, 14:29
  6. Tsisy aloha ny eto Québec capitale fa any @ tanàna hafa tsy haiko na misy na tsia. Afaka misantatra aty i ddrb ka ;)

    Nampidirin'i Karako 25 Aog 2007, 17:35
  7. Maghafinaritra foana ny mahita tany vaovao sy ny miasa amin'ny toerana vaovao saingy aleo angamba izany ho zokin'ny any aoriana ry Karako.
    Tenenikoihany i Karako rehefa hoe: aty Canada indray aho é! :-)

    Nampidirin'i DadaRabe 25 Aog 2007, 17:38
«Mialoha   1 2