VOALOHAM-PITIA

Nampidirin'i dadarabe | 18 Aog, 2007
 

Tena safononoka ny fahasambarantsika,

Mirenty voninkazo, miloko ts’hita isa,

Andro lohataona, toa lavitry ny hatsiaka,

Fitiavana mifoha, miaina paradisa…

Aharitra doria !

Antsika ny fitia ! 

Ny endrikao tanora, maraina feno ando,
Ny tsikinao marevaka sy kanto…tena soa !
K’izao tontolo izao tarafin’ny masoandro,
Mihoby sy mihira, mahita antsika roa !
Isika no mikolo !
Antsika ny tontolo ! 

Angano volamena, nataoko tsy hifarana,
Miverina any an-tsaina, toy ny vao omaly,
Eny ! tsy naharitra… Izay no fandaharana ?
Saingy tsy ho adino, tsarovantsika hatrany !
Tantara tsy ho very !
Tantarantsika ireny ! 

DadaRabe

St Pierre et Miquelon

18/08/07     15 :20


31 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "VOALOHAM-PITIA"

  1. Izaho aza mba gaga koh !
    Tsy mety tonga ny hariva. :-D

    Nampidirin'i DadaRabe 22 Aog 2007, 15:42
  2. Efa nandalo kely kosa ny hariva ê!

    Nampidirin'i Ryana 23 Aog 2007, 18:52
  3. Ie, tonga ihany ny hariva mandra-piavin'ny maraina vaovao indray.

    Nampidirin'i DadaRabe 23 Aog 2007, 19:23
  4. NY ANY SY NY ATY

    Raha misandratrandro ny any aminareo,
    Ny anay ny vodilanitra efa somambisamby;
    Raha toa ka mibalika ny masoandronareo,
    Ny volanay midongy… toa mila tambitamby!

    Ny “ampitso� ho anareo efa iainanay sahady,
    Ianareo mbola mankafy ny “omaly� aminay;
    Ka tsy mahagaga raha toa mifampitady
    Sy ela isika izao vao afa-mifandray!

    Kanefa tany iray no hoe onenantsika
    Fa zarazarain’ny ny ora sy fotoana ,
    Soa fa nisy serasera ifandraisantsika…
    Ka dia iaraha-miaina izay hita manoloana!

    Ryana
    (23/08/07)

    Nampidirin'i Ryana 23 Aog 2007, 19:24
  5. Dray dray dray
    HIangalianao mihitsy izy izany an!

    Nampidirin'i DadaRabe 23 Aog 2007, 19:26
  6. Mba asio tohiny ê!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 23 Aog 2007, 19:29
  7. Ny aty sy ny any
    dia olona ihany
    mahay mifananihany
    satria...eto an-tany

    Ny aty sy ny any
    tsy olona vinany
    fa manasa vilany
    raha noana ny ankany

    Nampidirin'i DadaRabe 23 Aog 2007, 21:35
  8. Mahafinaritra foana

    Nampidirin'i Tahiana 28 Aog 2007, 01:06
  9. Fiainana daholo ry Tahiana à!

    Nampidirin'i DadaRabe 28 Aog 2007, 14:58
  10. miandry vaovao.tsara koa ireny ohatry ny tantara ireny

    Nampidirin'i tahiana 29 Aog 2007, 13:53
  11. MIsy iray nampidiriko aho Tahiana à

    Nampidirin'i DadaRabe 29 Aog 2007, 21:31
«Mialoha   1 2