VOALOHAM-PITIA
Nampidirin'i dadarabe | 18 Aog, 2007Tena safononoka ny fahasambarantsika,
Mirenty voninkazo, miloko ts’hita isa,
Andro lohataona, toa lavitry ny hatsiaka,Fitiavana mifoha, miaina paradisa…
Aharitra doria !
Antsika ny fitia !Ny endrikao tanora, maraina feno ando,
Ny tsikinao marevaka sy kanto…tena soa !
K’izao tontolo izao tarafin’ny masoandro,
Mihoby sy mihira, mahita antsika roa !
Isika no mikolo !
Antsika ny tontolo !
Angano volamena, nataoko tsy hifarana,
Miverina any an-tsaina, toy ny vao omaly,
Eny ! tsy naharitra… Izay no fandaharana ?
Saingy tsy ho adino, tsarovantsika hatrany !
Tantara tsy ho very !
Tantarantsika ireny !
DadaRabe
St Pierre et Miquelon
18/08/07 15 :20
I Piso no nagataka azy ity !
Nampidirin'i DadaRabe 18 Aog 2007, 20:35:-)
:-D
Nampidirin'i ikalamako 19 Aog 2007, 23:47Nandalo Ikalamako
Nampidirin'i DadaRabe 20 Aog 2007, 01:36Dia henoko nanako
fa hoe miala any hono izy
Ka ravo ireo ankizy !
hahaha, nahazo poezia indray ikalamako fa misaotra e.
Nampidirin'i ikalamako 20 Aog 2007, 11:52Jenjina be !
Nampidirin'i DadaRabe 20 Aog 2007, 13:32@ 8 sasany maraina izao eto. Izao aho vao tafafoha fa nikotaba ilay ao ambadika dia tsy natory loatra. :-)
Tsy misy hifandraisany amin'ny lohateny fa miala tsiny
arahabaina tafafoha izany ê! izahay aty efa madiva hilentika ny masoandro... raharaha ity bolantanintsika ity koa!
Nampidirin'i Ryana 20 Aog 2007, 15:55Ryana
Raharaha be...
Nampidirin'i DadaRabe 20 Aog 2007, 16:10Tsy mpisotro café ny tenanay fa voatery nisotro ihany sao matory eo am-pandraisana marary ka higagan'ny olona eto.
Miarahaba amin'ity herinadro vao é!
Dia tafandria mandry izany raha hariva sahady ny any.
Hono ho'aho ry Ryana ?
Nampidirin'i DadaRabe 21 Aog 2007, 14:56Afaka mampiditra tononkalonao iray ve aho ? Ato amin'ny blaogy ?
Misaotra tompoko.
Voninahitra ho ahy izany, DadaRabe â! Ekeko tsotra izao, Tompoko! Mankalaza ê!
Nampidirin'i Ryana 21 Aog 2007, 17:06Ryana
MItaintaina be aho eo am-piandrasana ny valim-panadinana... inona amin'ireo soratsoratra nataoko no ho "lany match" ato amin'ity blaogy manan-tantara ity???
Nampidirin'i Ryana 21 Aog 2007, 17:14:-)
Ryana
ha ! ha !ha!
Nampidirin'i DadaRabe 21 Aog 2007, 17:44Mahay miresaka ity zanak'olona !
ka aiza ê?? efa mangitagitaka mihitsy ny tenanay!!!
Nampidirin'i Ryana 21 Aog 2007, 17:55MArina moa!
Ryana
Andraso fa eto am-pisakafoananana (atoandro) aho io dia rahariva ampidiriko.
Nampidirin'i DadaRabe 21 Aog 2007, 17:59Izao ve ny anareo vao ora fisakafohanana? ny anay aty efa ela no levona ny sakafo. Efa mitady "goûter" izao raha ny marina. Koban-dravina...Lohahevitra toa tsara hanaovana tononkalo Rabe io elanelan'ora io... Ny ora tsy mitovy anefa ny resaka iraisana... Mazotoa homana ary ianao ê! sakafon'ny any izany sa sakafo malagasy no hohaninao??? hahahahahh ianao toa tia misakafo, raha ny sarinao no jereko!!! hahahhaha mazotoa ê!
Nampidirin'i Ryana 21 Aog 2007, 18:08Ryana
Letia à! ahoana indray izany hoe tia misakafo raha ny sariko no jerena ?
Nampidirin'i DadaRabe 21 Aog 2007, 19:19Aleo dia mangina
Aiza ary izany hoe aleo mangina izany ê? Diso aho izany, raha azoko tsara. Azafady ary ê!
Nampidirin'i Ryana 21 Aog 2007, 20:18:-)
Angaha eto amin'ity tany ity misy hoe diso izany é!
Nampidirin'i DadaRabe 21 Aog 2007, 22:25Ts'isy tsiny mhitsy !
KAnefa toa misy hira hoe "tsy misy tsy diso izay mandia ny tany"??? Dia ahoana izany?
Nampidirin'i Ryana 22 Aog 2007, 13:02Mbola tsy hariva foana ve ny any aminareo no mbola tsy mivaly ihany ny "fanadinana"??? sa "ambivitra" ny fahaizan'ilay olona ka mila "délibération" lalina be???
hahahahaaaha
Ryana
Tena mbola tsy hariva ihany hatramin'izao. :-p
Nampidirin'i DadaRabe 22 Aog 2007, 14:34Efa hitako ilay izy kah! saingy tsy maintsy any an-trano aho vao afaka mampiditra.
hahahaah eny ary ê! sambatra kosa ianareo izany koa: mohoatra ny 24 ora izany ny andro iray, raha azoko tsara!
Nampidirin'i Ryana 22 Aog 2007, 15:23Ela izany ianao vao miha-antitra...
TSarà, Tompoko!
Ryana