L'AMOUR
Nampidirin'i dadarabe | 17 Aog, 2007Même si l'amour
Ne serait pas pour toujours,
Essaie quand même de pouvoir...
Espérer et de croire...
Pas au simulacre,
Mais au miracle.
Car l'amour est sacré,
L'amour peut sauver
Un âme qui déambule,
Un esprit qui recule,
Et la vie sera meilleure...
Et l'amour deviendra...le bonheur.
DadaRabe
St Pierre et Miquelon
17/08/07
Hono hoy aho DadaRabe, Afaka mba manao tonokalo iray momba ny fitiavana be (loatra) nefa tsy mitaky fitiavan-tena ho ahy ve ianao?
Nampidirin'i soanja 18 Aog 2007, 03:45Misaotra mialoha raha toa ka ho to izany. Raha tsia dia misaotra ihany koa nanome ahy fahafahana hangataka zavatra iray avy any aminao.
Andraso ary Soanja à !
Nampidirin'i DadaRabe 18 Aog 2007, 04:11Hanaovako ianao.
Saingy hazavao tsara fa tsy tena azoko ilay "sujet" :-)
Soanja ! Ity ilay tononkalo.
FITIA TSY TIA TENA
Raha fantatrao ny halalin’ny fitia,
Tsy manam-piafarana, ao anatiko ao,
Tsapako mifikitra sy maka faka ery,
Mirehitra doria, miantefa eny aminao !
Tsy hefako lanjaina !
Tsy haiko tantaraina !
Ny masonao mibanjina, mijery tsy mikimpy,
Ny tsikinao manintona…diavolana mazava !
Satriko hitoetra, tsy handositra hidify,
Fa ho mandrakizay…maraina lalandava !
Mangovitra ny aiko !
Fa eo ianao lalaiko !
Kanefa anie ry tiako ! tsy izany ny eto an-tany !
Tsy hoe izay tiako ihany f’indrindra izay anao,
Satria olon-droa no hiaraka hatrany…
Izay sitrakao ry tiana fa ny ahy anie dia izao :
Fitia tsy mba terena !
Fitia tsy tia tena !
DadaRabe
Nampidirin'i DadaRabe 18 Aog 2007, 19:52St Pierre et Miquelon
18/08/07 14:47
DadaRabe o!
Nampidirin'i Soanja 20 Aog 2007, 05:24Misaotra indrindra. Tena tiako tokoa sady azoko lazaina fa mahalaza azy tsara.
Ilay fitia tsy hita fetra mantsy no takiako sy jerena, nefa indrisy fa rehefa manjaka loatra io dia zary mampijaly sy mampahonena.
Azoko ampiasaina ve ny tonokalonao. Tiako ampiasaina ho an'ny asasoratro fa ny anaranao kosa no hitoetra hiaraka aminy sy handravaka azy.
Tantarao ahy fotsiny é !
Nampidirin'i DadaRabe 20 Aog 2007, 13:34Mazotoa Soanja à !
Ary hono ho'aho ry Soanja azoko angatahina tononkalo ve ianao ?
Nampidirin'i DadaRabe 21 Aog 2007, 18:03Tonokalo izay tianao. Ianao no manao azy. Na rehefa tsy ianao dia izay misy é!
Nampidirin'i DadaRabe 21 Aog 2007, 19:29DadaRabe,
Nampidirin'i soanja 22 Aog 2007, 14:19Tsy mahay mikalo ny havanao saingy kosa afaka mamoaka embona ihany fa tsy mirindra toy ny anao.
Inona no tianao ho heno ho ventsoiko avy aty amiko.
Andraso anie!
Tadidinao ve ilay tany Ambre?
Mbola zaza aho tamin'izay. Tohizo anie de tohizako e!
Hanadrana ary aho ry Soanja fa tohizo an !
Tadidinao va re isika tany Ambre ?
Nampidirin'i DadaRabe 22 Aog 2007, 14:43Angamba izy izay volana desambra !
Andro fahazaza, tantara tsy hadinoina
Lasa fahatsiarovana tsy afaka soloina.
Tohizako ndray,
Natiora feno fahendrena
Nampidirin'i Soanja 28 Aog 2007, 05:30Hatanorana toa mahajambena
Endrika mitsiky lavorary
Teo afovoan'ireo maitso lafatra voary.
Mitohy ihany Soanja à ! (manja be)
Ary injao tsaroako ny rivotra nitsoka,
Ny orana nikija, injay nijononoka,
Isika anie tanora, nifalifaly ery !
Kanto anie ireny, mbola tsaroako aty !
Anao indray !!!
Nampidirin'i DadaRabe 28 Aog 2007, 13:26kotro-baratra naneno
tsy nampihotsona ireo izay feno
varatra sy rivotra mifofofo
vao maika nampisy hery mitorajofo.
Anao ndray! mahafinaritra mihitsy ka!
Nampidirin'i soanja 28 Aog 2007, 19:36eo ary é!
Gidro maromaro teny an-drantsankazo,
Niantsampitsampy tanaty ravinkazo
Isika dia variana, fo tanora adala !
Niaina ny tontolo, tsy an-kisalasala.
Anao indray izao Soanja à!
Nampidirin'i DadaRabe 28 Aog 2007, 21:41"Handeha ho aiza isika ity?"
hoy izahay mirahavavy niaradia
"tohizo hatrany hatra-ery"
Hoy nareo roalahy nikarajia.
Misaotra hatrany manohy, DadaRabe o!
Nampidirin'i Soanja 29 Aog 2007, 06:45Ho aiza tokoa moa ? efa ela izany !
Toa manjavozavo any an-tsaina any,
Ny tena tsaroako, isika nandeha tongotra;
lavitra ny lalana, ny aina saika niongotra !
Tohizo foana Soanja ô !
Nampidirin'i DadaRabe 29 Aog 2007, 14:32Tamin'izay tokoa no nisy fahasimba ny fiara
Nampidirin'i soanja 29 Aog 2007, 19:20Nidina daholo fa saika nipotsaka ny kodiara
Nandeha tongotra tsy ankijanona
Nanamafy ilay finamanana mba ho vanona.
Ilay fiara SG4 nanary antsika an-dalana
Nampidirin'i DadaRabe 29 Aog 2007, 19:23Dia teo samy nanovoka nandeha nanohy ny lalana
Tsy tonga an'i Arrachart dia naka aina kely
Tanora maitsovolo isika tam'reny
Ary mba nankaiza Ikala namanao ?
Nampidirin'i DadaRabe 29 Aog 2007, 21:03Tena tsy heno intsony mihitsy hatram'zao !
Lasa nitety tany ? sa nankaiza re ?
Raha mba fantatrao ! lazao ihany anie !
Izay aloha Soanja fa hamika kely any Dago aho à! iza no mahalala raha mandalo any Ambre !
Nampidirin'i DadaRabe 01 Sep 2007, 00:02Mandalo avaratra aloha é!