IANAO NO MAHALALA
Nampidirin'i dadarabe | 16 Aog, 2007Ry hany tanindrazako! Tsy foiko sy malala!
Raha nandao anao aho, an-taona maro izay,
Tsy hoe ninia nikimpy na koa tsy nahalala
Ny ratra sy ny fery na ny ady mahamay
S’ireny fijaliana,
Ireny fahoriana,
Ireny fihafiana,
Izay nitomaniana.
Ry tany tiako indrindra, narary anie ny foko,
Raha sendra ny tsy fidy, ka ho any an-tsesitany;
K’ireny ranomaso, nilalotra toloko
Niniako nampanginina na hila tsy ho lany,
Fa mafy ny mitady,
Manangana ny ho avy,
Fa ts’isy vavahady
Misokatra sahady.
Dia nifandimby teny ny andro sy ny volana,
Toa efa hody ventiny ny rano nantsakaina,
Kinanjo tsy nampoizina fa misy foana ny olana
Mitady hanembatsembana ilay maraina andraina ;
Te hody aho na androany
Raha azo atao izany,
Fa saingy nofy ihany
Ny foko toa tomany!
Misy ny milaza fa efa nanadino anao ny foko tia,
Nolazainy koa fa efa natakaloko ny hafa hono ianao !
K’aleoko miampify, mandositra anao aty lavitr’aty,
Minia tsy mahatsiaro ary manadino, nahita vaovao!
Ry Madagasikara!
Ianao no mahalala
Ny foko anie tsy hiala
Fa tia toy ireny adala.
DadaRabe
Marseille
22/08/01
:-)
Nampidirin'i ikalamako 17 Aog 2007, 00:33Misaotra Ikalamako à! efa haiko ny dikany fa nandalo ianao :-)
Nampidirin'i DadaRabe 17 Aog 2007, 01:22Misaotra mitsidika.
efa novakiako taloha ity tononkalo ity ry dadarabe.
Nampidirin'i tatiana 17 Aog 2007, 19:22Tsara foana
Ie, efa elabe izy io, efa tamin'ny 2001 :-)
Nampidirin'i DadaRabe 28 Aog 2007, 13:28Misaotra