FENO ANAO !

Nampidirin'i dadarabe | 14 Aog, 2007

Tazaniko ny hariva sy fara-vodilanitra,
Ny voninkazo manitra…
Ianao no tsinjoko eny! 

Henoiko ireny vorona misioka tsy miato,
Mivazo tena kanto…
Ianao no henoko eo ! 

Izay rehetra misy, miserana anoloako
Dia lasa feno loko…
Miloko ny endrikao ! 

Tsy misy intsony izaho fa efa ianao
No miaina anatiko ao…
Feno anao ny fiainako ! 

DadaRabe

Aix-en-Provence

25/12/03   22:27

24 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "FENO ANAO !"

  1. Fahatanorana!!!
    Fotoana tsy hay ialàna
    Mpamosaka fitia!
    Masiaka be ery !

    Nampidirin'i dadarabe 17 Aog 2007, 18:21
  2. Ny anao kosa toa mamorona hevitra an-koatry ny voalaza ê! tsy "hors sujet" ve izany? na izany aza, mankalaza ê!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 17 Aog 2007, 18:25
  3. Eny, Madama. Hors sujet aho tompoko fa hanao metimety amin'ny manaraka.

    Nampidirin'i DadaRabe 17 Aog 2007, 19:18
  4. MIsaotra, Ramose.

    Nampidirin'i Ryana 18 Aog 2007, 20:53
«Mialoha   1 2