FENO ANAO !
Nampidirin'i dadarabe | 14 Aog, 2007Tazaniko ny hariva sy fara-vodilanitra,
Ny voninkazo manitra…
Ianao no tsinjoko eny!
Henoiko ireny vorona misioka tsy miato,
Mivazo tena kanto…
Ianao no henoko eo !
Izay rehetra misy, miserana anoloako
Dia lasa feno loko…
Miloko ny endrikao !
Tsy misy intsony izaho fa efa ianao
No miaina anatiko ao…
Feno anao ny fiainako !
DadaRabe
Aix-en-Provence
25/12/03 22:27
:-)
Nampidirin'i ikalamako 15 Aog 2007, 00:20(milaza io hoe nandalo aho dia namaky an, dia mankafy foana)
Ie, dia faly mahit a an'Ikalamako mandalo.
Nampidirin'i DadaRabe 15 Aog 2007, 00:59Hainao moa ilay tononkalon'i Dox hoe :
Mandalo eo matetika aho
dia manjary fahazarako
Ny mahita anao...
Misaotra mandalo é!
nataon'i Kintana telo hira izy io, hain'ikalamako tsara kah!
Nampidirin'i ikalamako 15 Aog 2007, 01:41Enga anie tsy ho tonga amin'ilay andininy hoe .
"kinanjo raha nandalo aho androany, tsy hitako nivoha ny varavarankelinao..." aie aie aie, naninona ikalamako no tsy tafandalo ??? enga anie tsy hisy izany an ! Misaotra mampitsiky anay amin'ny andro sasakalina ry dadarabe o!
Tafandria mandry ary é!
Nampidirin'i DadaRabe 15 Aog 2007, 02:40ary i kalamako mampiresaka be an
Nampidirin'i may vava 15 Aog 2007, 18:59Miresaka Ikalamako fa tsy mampiresaka kosa é !
Nampidirin'i DadaRabe 15 Aog 2007, 23:33Izany anie ny eto ry May vava é!
samy manana ny talentany ange ry May vava e... Sady ilay blaogy ange tsy natao hoe hojerem-potsiny fa "hifaneraserana.org" e ! :-D
Nampidirin'i ikalamako 16 Aog 2007, 13:09"hifaneraserana.org" :-)
Nampidirin'i DadaRabe 16 Aog 2007, 14:19Hanomboka hiasa indray eto.
Mazotoa daholo izay miasa é!
Tsy adino.
Nampidirin'i DadaRabe 16 Aog 2007, 14:20Mazotoa koa ireo tsy miasa ! :-)
Any Dadarabe,
Nampidirin'i Soanja 16 Aog 2007, 19:23Mankasitraka sy manankalaza amin'ny tonokalo mahafinaritra. Manome aina ny tontolo ny vetntsom-ponao.
Misaotra an'i Soanja !
Nampidirin'i DadaRabe 16 Aog 2007, 20:26Raha mahita hevi-baovao ianao dia teneno foana aho fa mihaino é!
DdRb
Miandry ny tohiny ny mpamaky ê!
Nampidirin'i Ryana 17 Aog 2007, 15:41Ohatry ny very kely aho...
Nampidirin'i DadaRabe 17 Aog 2007, 16:04Tohin'ny inona ry Ryana ?
Ny resaka (efa mitohy) sa ny tononkalo sa inona ?
Miala tsiny fa tara train angamba aho.
TSay tara train izany ianao koa! Ianao anie no sefo de gara koa dia ho tara ve? Tohin'ny tononkalo re no tiako hambara ry DadaRabe ô!
Nampidirin'i Ryana 17 Aog 2007, 16:30Tsy hita fa mihaantitra koa ny tenanay é!
Nampidirin'i DadaRabe 17 Aog 2007, 16:52:-D
L'Amour ?
Un sentiment ?
une folie ?
une impression ?
Une vie ?
Une aventure ?
Une histoire ?
Un avenir ?
Une mémoire ?
Une souffrance ?
Une peur ?
Une penitence ?
Un bonheur ?
L'amour ?
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 17 Aog 2007, 17:03SPM
17/08/07
dray dray dray! hay moa amin'ny fiteny isan-karazany ity fahaizanao mandahatra teny ity??? ka inona amin'ireo ary, Dokotera, no atao hoe fitiavana?
Nampidirin'i Ryana 17 Aog 2007, 17:08MAnkasitraka ê!
Ryana
Ny fitiavana ?
Fifaliana ?
Adin-tsaina ?
Fitsikiana ?
Sa taraina ?
inona ?
Nampidirin'i dadarabe 17 Aog 2007, 17:41Fahoriana?
Nampidirin'i Ryana 17 Aog 2007, 17:57Fahatahorana?
Fifaliana?
Fifatorana?