MIASA ! MIASA IHANY !
Nampidirin'i dadarabe | 11 Aog, 2007
Raha tianao handroso i Madagasikara,
Raha tianao hiova ho lasa tena tsara,
Raha tianao handositra ny voina sy mosary,
Raha tianao hamokatra ireny tanimbary....
Miasa, miasa ihany !
Tsy ny nofinofy manidina eny ambony,
Tsy ny kabary lava izay tanisaina akory,
Tsy ny volabe dongiana amim-bazaha,
Tsy ny anganongano mampientana fanahy...
Fa ny asa, ny asa ihany !
I Eoropa, i Zamerika matoa mandroso be,
Tsy adino i Japana mibaby rehareha,
Matoa izy ireny matanjaka sy ngeza,
Tsy noho ny polifika na koa ny ady seza...
Fa niasa, niasa hatrany !
Ka hafatro aminao ry zoky sy ry zandry,
Aoka isika hilofo hiasa fa tsy hiandry,
Aleo drodroka miasa toy izay hoe maty noana,
Ny valin-katsembohana tsy maintsy ho avy foana...
'Ndao hiasa, izay ihany !
DadaRabe
Aix-en-Provence, 28/05/04 14:17
tamin'ny andron'ny revolisiona sosialista izahay no efa niredona foana ny hoe :
Nampidirin'i ikalamako 11 Aog 2007, 16:03"miasa miasa miasa ihany",
"mamokatra mamokatra mamokatra hatrany",
"mianatra mianatra mianatra ihany".
Ankehitriny hono toa hoe "minoa fotsiny" ?
lol...
Ny ahy indray r'Ikalamako dia "miasa" izay no hitako lalana amin'ny fiainana.
Nampidirin'i DadaRabe 11 Aog 2007, 18:05