FONY LASA IANAO…

Nampidirin'i dadarabe | 10 Aog, 2007

Tsy ho lazaiko anao, ireny adim-piainako
S’ireny fanantainako,
Fony lasa ianao… 

Ny mafy izay natrehiko, ny orako manjombona
Ny saiko tsy nahatombona,
Fony lasa ianao… 

Ireny horohoro, nangeja ny fanahiko
Ireny ahiahiko,
Fony lasa ianao… 

Tsy nisy nahalala, ireny ranomaso
Koriana ts’isy andraso,
Fony lasa ianao… 

Izaho ninia niharina, avy ao an-konahona

Fa tratr’ireny voina,

Fony lasa ianao… 

Ankehitriny kosa, mahatsiaro aho ka tanisa
Ny ngidy ts’hita isa,
Fony lasa ianao… 

DadaRabe
Raleigh (USA)
27/03/01  13:25

24 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "FONY LASA IANAO…"

  1. Aiza indray ry ?tompoko, no misy an'izany "sary vaovao St Pierre" izany ê? Karazana sary 2 no hany hitako ato... Izaho mihitsy angambany no tena tsy "norme" amin'ity resaka ity koah!

    Nampidirin'i Ryana 16 Aog 2007, 16:31
  2. Tsy fantatro hoe maninona no tafiditra in-telo.
    Tsy ilay sary no lazaiko fa ilay sujet. Nisy olona "nindrana" pseudo n'olon-kafa, dia lasa nifangaro ny resaka.

    Nampidirin'i DadaRabe 16 Aog 2007, 17:16
  3. izay vao hitako! aza tsiny re ry Dokotera fa tsy ampy fahaizana ny aty ka jambena raha vao tafiditra ato amin'ity blaogy ity... tsaraà ê!

    Nampidirin'i Ryana 16 Aog 2007, 17:39
  4. Tsarà é !

    Nampidirin'i DadaRabe 16 Aog 2007, 18:02
«Mialoha   1 2