FONY LASA IANAO…
Nampidirin'i dadarabe | 10 Aog, 2007Tsy ho lazaiko anao, ireny adim-piainako
S’ireny fanantainako,
Fony lasa ianao…
Ny mafy izay natrehiko, ny orako manjombona
Ny saiko tsy nahatombona,
Fony lasa ianao…
Ireny horohoro, nangeja ny fanahiko
Ireny ahiahiko,
Fony lasa ianao…
Tsy nisy nahalala, ireny ranomaso
Koriana ts’isy andraso,
Fony lasa ianao…
Izaho ninia niharina, avy ao an-konahona
Fa tratr’ireny voina,
Fony lasa ianao…Ankehitriny kosa, mahatsiaro aho ka tanisa
Ny ngidy ts’hita isa,
Fony lasa ianao…
DadaRabe
Raleigh (USA)
27/03/01 13:25
ndroooo!
Nampidirin'i ikalamako 10 Aog 2007, 13:40Ndrooo! Ahoana izany r'Ikalamako ?
Nampidirin'i DadaRabe 10 Aog 2007, 14:29mampihetsim-po fa santimaka be koh ! dia mitsetsetra mamaky ry dadarabe a ! :-D
Nampidirin'i ikalamako 10 Aog 2007, 16:13Nisy namana izay latsa-dranomaso, hono, tamin'io tononkalo io.
Nampidirin'i DadaRabe 10 Aog 2007, 16:52Fiainana daholo izany é!
Sa ahoana ?
tena hita mihintsy hoe olona voadona i dadarabe
Nampidirin'i jemimah 10 Aog 2007, 22:59fa mba tsy nanao zezoita amin'ny tenin'i hery kosa izy e ! Fiainana daholo izany moa dadarabe o!
Nampidirin'i ikalamako 10 Aog 2007, 23:09Mirary soa ho an'i Jemimah
Nampidirin'i DadaRabe 11 Aog 2007, 02:58MAnkasitraka hatrany! Ianao anie izany no lasa, raha azoko tsara ê?
Nampidirin'i Ryana 14 Aog 2007, 16:03Ryana
Ny tononkalo anie ry Ryana mivadibadika eo é! tsy fantatra intsony hoe iza no lasa nankaiza. Ary aiza no misy an'iza :-)
Nampidirin'i DadaRabe 14 Aog 2007, 17:45TSy haiko aloha hoe iza no lasa aiza fa raha ny kely mba novinakiko teto amin'ny tranonkala dia ianao no lasa any ê!
Nampidirin'i Ryana 14 Aog 2007, 19:15Ha ha ha, eny ary topoko ô! tsy hita moa ity fiainana ity fa ny tsy ampy ketsa hono mivezivezy ary ny very ondry manara-morona. :-)
Nampidirin'i DadaRabe 14 Aog 2007, 19:25DdRb
Ka mitovy ve farafaharatsiny ny fanetsana any sy ny nilaozana ary ê? ARy hita ve ilay ondry very?
Nampidirin'i Ryana 14 Aog 2007, 19:48Mankasitraka, Tompoko ô!
Ryana
Taninketsa avo toerana ny aty sady tsy misy vary fa bozaka no betsaka. Jereo fa toa misy sary eny an-tendrombohitra ao. Andraso koa fa misy sary maromaro teny amoron-dranomasina, 'ndeha hampidiriko
Nampidirin'i DadaRabe 14 Aog 2007, 21:24Tsara aloha ireo sary hitako ato ê! Fa misy anie ny "vary an-tanety" ê! Tsara be ny tanananareo, ry DadaRabe, saingy toa tsy misy olona mihitsy eny an-dàlana na iray aza???? sa nampiomana ianao fa haka sary dia nihafina ry zareo? Tsarà ê!
Nampidirin'i Ryana 14 Aog 2007, 21:54Ryana
Tsy hitanao fa be zavona aty kai zay angamba no tsy nahitana ireo olona. Na koa efa retoucher ny sary.
Nampidirin'i DadaRabe 14 Aog 2007, 22:21DdRb
Eny ary moa e! FAnontaniana: nahoana eto amin'ny Blaoginao uty ry DAdaRabe, afaka tonga dia manoratra malalaka (maka izay anarana tiana), tsy misy arakaraka? Koa raha misandoka ny tenanay dia ahoana?
Nampidirin'i Ryana 16 Aog 2007, 15:46Eny ary moa e! FAnontaniana: nahoana eto amin'ny Blaoginao uty ry DAdaRabe, afaka tonga dia manoratra malalaka (maka izay anarana tiana), tsy misy arakaraka? Koa raha misandoka ny tenanay dia ahoana?
Nampidirin'i Ryana 16 Aog 2007, 15:46Eny ary moa e! FAnontaniana: nahoana eto amin'ny Blaoginao uty ry DAdaRabe, afaka tonga dia manoratra malalaka (maka izay anarana tiana), tsy misy arakaraka? Koa raha misandoka ny tenanay dia ahoana?
Nampidirin'i Ryana 16 Aog 2007, 15:46Milaza izany ianao fa nisy olona nisandoka pseudo teto dia nisangaoja ny resaka. Vakio anie ao amin'ilay hoe "sary vaovao st Pierre"
Nampidirin'i DadaRabe 16 Aog 2007, 15:54Tsy fantatro akory ary na i Ryana tetsy ambony ianao manoratra io :-)
tena izay mahitsiny! avy eo;, toa lasa in-telo ilay message nalefa io ambony io? tsy azoko... aleo fa jereko hoe izany lazainao izany. Izaho ilay manoratra ity dia ilay Ryana nanoratra teny an-tsefatsefany teny (tsy ilay voalihany, na ilay farany akory...)hahahaha
Nampidirin'i Ryana 16 Aog 2007, 16:29