SARY VAOVAO teto St Pierre (05/08/07)

Nampidirin'i dadarabe | 5 Aog, 2007

 ireo sary

Alahady ny andro.

Nifoha maraina aho dia na ka sary vaovao tato anaty tahiry tato. Sary teto St Pierre izy ireo.
Maneho fotsiny ihany ny tanàna amin'ny ankapobeny. Mbola misy sary maro ao fa aleo ho zokin'ny ao aoriana.

Raha mahita hevitra momba ny sary ianao dia teneno aho fa mila hevitra....

DdRb


28 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "SARY VAOVAO teto St Pierre (05/08/07)"

  1. Tsara ireo sary. Miandry sary maromaro. Efa nilazaho hoe hametraka hafatra.

    Nampidirin'i R... 05 Aog 2007, 14:32
  2. misaotra fa azo onona amin'izay ny misy anao.

    Nampidirin'i ikalamako 05 Aog 2007, 15:29
  3. R...Manana say aho saingy misy olon-kafa. Aleoko aloha manontany ny hevitr'ireo olona fa manahirana ilay hoe: toa nataonao tao amin'ny internety ny sariko.

    Ikalamako: ie, toy izao no eto StPierre. Efa nipetraka tany avaratr'i Madagasikara angaha Ikalamako ?
    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 05 Aog 2007, 18:51
  4. Alefaso aty amin ny email ko aza

    Nampidirin'i R.. 05 Aog 2007, 21:01
  5. nandalo fotsiny aho tany avaratr'i M/kara, ka haiko ny tianao holazaina fa mitovitovy @ any St-Pierre.
    Fa ny vehivavy hono manara-bady ka nony nanambady aho dia nifindra monina tany @ misy ny vadiko tany atsinanan'i Italie, tanàna kely toa izao, fa nitsoaka matanjaka aho, fa izaho itony "espèce qui survit seulement dans le chaos des grandes villes,(mila pollution, lol)". Telo taona aho no nipetraka tany dia nentiko niverina teto Roma ny fianakaviana, hihihi.

    Nampidirin'i ikalamako 05 Aog 2007, 22:17
  6. Ikalamako. Telo taona ianao no nipetraka taiza ? Tany avaratr'i Madagasikara ?

    R...Andraso fa andefasako é!
    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 06 Aog 2007, 00:32
  7. Ikalamako ! Ny nahatonga ahy hanontany hoe tany avaratra angaha ianao dia ilay ianaonametraka hoe : olo-jiaby amin'ny fomban-taniny. Dia ilay ianao miteny hoe "azoko onona". Fiteny avy any avaratra.

    Nampidirin'i DadaRabe 06 Aog 2007, 00:39
  8. Ikalamako ! Ny nahatonga ahy hanontany hoe tany avaratra angaha ianao dia ilay ianaonametraka hoe : olo-jiaby amin'ny fomban-taniny. Dia ilay ianao miteny hoe "azoko onona". Fiteny avy any avaratra.

    Nampidirin'i DadaRabe 06 Aog 2007, 00:40
  9. fiteny mba voarain'ny vava matetika ireny kah , fa tsy nipetraka tany avaratr'i M/kara aho (nandalo niala sasatra fotsiny). Ankehitriny aho eto Roma, rehefa nipetraka 3 taona tany @ ilay tanàna kely tany @ faritra atsinanan'i Italie, kely hoatran'i St-Pierre...

    Nampidirin'i ikalamako 06 Aog 2007, 07:20
  10. Roma ! Tanàna malaza. Efa tao Italie matetika aho fa tsy mbola nadalo tao Roma. Tamin'izahay nipetraka tany Marseille dia mankany Italie. Tany Turin koa aho fa nisy congrès izay. Mahafinaritra Italie kah !

    Nampidirin'i DadaRabe 06 Aog 2007, 14:47
  11. Manao ahoaha zokilahy a, Tsara ery any aminareo zany ry DadaRabe.
    Mandalondalo eo ihany e.
    Bonne semaine

    Nampidirin'i tsiky 06 Aog 2007, 16:43
  12. Ka handalondalo aty an-tanàna sa handalondalo eto amin'ny blaogy ? Tongava foana na aiza na aiza é!
    Tsarà !
    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 06 Aog 2007, 19:34
  13. Tsy mangatsiaka ve any ry Dadarabe ?

    Nampidirin'i Tahiana 07 Aog 2007, 16:58
  14. Dray ! dray ! dray ! ry Tahiana. Toa mangitsy mamirifiry hono eto rehefa tongany ririnina. Misy ranomandry miavosa sy rivotra mikiky taolana. Mbola tsy hitako aloha fa izany hono é !
    Tsy hita fa tsy maintsy miatrika izay miseho eo é!
    Ny courage efa misy fa ny bodofotsy sisa no atao betsaka :-)
    DdRb

    Nampidirin'i DdRb 07 Aog 2007, 22:39
  15. fa aiza ho aiza ilay hoe st pierre e?

    Nampidirin'i lalaina 08 Aog 2007, 02:51
  16. Lalaina>> St Pierre et Miquelon dia aty Amerika avaratra. Archipel atsinanan'i Canada (Terre Neuve). Jereo amin'ny google di ho hitanao.
    DdRb

    Nampidirin'i DadaRae 08 Aog 2007, 10:41
  17. Manahoana razoky e!Sendra nandalo dia nahita hoe toa lasa alavitra be ianareo izany. Mitsidika matetika raha izanysady mahafinaritra ny mamaky ny tononkalo e!Iza ary aho?(zanak'iDadafara)

    Nampidirin'i talulah 08 Aog 2007, 12:01
  18. Talulah ? Iza ary ianao ? Azoko an-tsaina ihany fa tsy sûr aho.
    Ie, lasa lavidavitra kely ihany. Tsy ny elanelan-tany anie no mahasaraka fa ny fo tsy mifankahita é! sa ahoana ?
    Andefaso mail hoe aho amin'ny dadarabe@voila.fr.

    Tsarà é !

    Nampidirin'i DadaRabe 08 Aog 2007, 16:03
  19. drabe: aiza ny sary razoky a.

    Manao ahoan i talulah!! ela izany. cousine nao aho raha zanak i Dadafara ianao. hihihi. ato isika mianakavy izany no mifankahita.

    Nampidirin'i R.... 08 Aog 2007, 20:12
  20. Andraso alefako izao R...à !

    Nampidirin'i dadarabe 08 Aog 2007, 21:12