Hevitra mandalo sabotsy 28/07/07 : PLANNING FAMILIAL
Nampidirin'i dadarabe | 29 Jol, 2007Matetika ny famerana ny isan-jaza no dradraina ao Madagasikara. Firenena matanjaka moa no mamporisika hanao ireny. Ny ministera aza moa dia ministeran'ny planning familial sy ny fahasalamana.
Mahagaga anefa, 17 tapitrisa ihany ny isan'ny malagasy ary midadasika i Madagasikara. Ny firenena matanjaka sy manonga haingana ny harin-karena faobe dia ireo firenena maro olona.
Any Asia: Japana, Chine, Inde
Eoropa: Allemagne, Frantsa, Angleterre.
USA
Raha betsaka ny mponina dia betsaka ny mpanjifa. Manintona ny mpanam-bola satria misy lalam-barotra anatiny ary tsy voatery ny varotra aondrana ihany.
Raha tsy mitombo ny mponina malagasy dia inona no hitranga ?
"Na ho ela na ho haingana dia tsy ny malagasy intsony no ho maro an'isa eto".
Ahoana ny hevitrao ? Eritrereto hoe !
Mazotoa é !
St Pierre, sabotsy faha 28 jolay 2007
DadaRabe
ka ny blèm ange ny fari-piainana tsy haharaka ny isan'ny zaza e, fa raha akarina aloha ny fari-piainan'ny isan-tokantrano, ny gasy ange tsy konjokonjo ny hanana mihoatra ny 3 sy 4 e. Izaho aza tena midera ny any an-tanindrazana manao mihoatra ny roa, fa ny ahy eto iray dia tsy sahy intsony fa tsy vitan'ny ronono sy ny couche fotsiny ny zaza, fa ny fianarana sy ny fitaizana no tena zava-dehibe, kanefa raha ny ray aman-dreny tsy maintsy mitotototo mitady ny hohanina, tsy ho araka loatra ny fitaizana, ara-tsaina indrindra indrindra.
Nampidirin'i ikalamako 29 Jol 2007, 02:15Ka miankina amin'ny enti-miady amin'ny fiainana izy io amiko. Harena ny zanaka, fa ny famelomana azy koa tsy maintsy heverina.
Marina ny an'Ikalamako. Midera an'ireo RAD manan-janaka maro koa aho. Tena ezaka be tokoa izany.
Nampidirin'i DadaRabe 29 Jol 2007, 15:15Misy firenena be dia be, rehefa lasa minorité ry zareo eo amin'ny taniny dia lasan'olona ny taniny.
Afaka mangataka fahaleovan-tena ireo najary lasa majorité.
3 sy 4 ihany hoy Raimb'l. HItako hoe mety.
Misaotra an'Ikalamako nanome hevitra.
DdRb
Hoy aho hoe, aleoferana Dadarabea ! Ary ilaina mihitsy ny PlanningFamilial, hialana @ ireto manaonao foana ireto,marary ny Aty iray manontolo mahita sy mandre am haino aman-jery ireo Manala zaza efa ho 8 sy 7 volana am-bohoka, avy eo ariana eny am zaoridira sy rano mandeha, fa ny tena tsy zakan'ny saina misy manaray any @ WC.
Nampidirin'i Miah 30 Jol 2007, 14:51Eo indray ireo mivaro-janaka TSOTR'IZAO.
KA hoy aho hoe, Aleo hasina fiheverana ihany....
Eny, tena mihaino ny hevitrareoaho io. Firy izany no tokony ho isan-jaza ?
Nampidirin'i DadaRabe 30 Jol 2007, 23:54DdRb
Ka ny olana anie dadarabe, na ho 60 tapitrisa aza isika ka mahantra be daholo ary tsy velona ny zaza ateraka fa mareforefo be daholo dia ahoana???
Nampidirin'i Mike 31 Jol 2007, 04:28Aiza kosa no dia ahantra foana é !
Nampidirin'i DadaRabe 31 Jol 2007, 13:03Mino aho fa ho tafavoaka isika. DdRb
eo @ 2 na 3 eo dia ampy, zany ary mety tsy ho velona aza zany raha zao fahantrana zao
Nampidirin'i RHN 01 Aog 2007, 20:16Dia ataontsika hoe roa sy telo izany.
Nampidirin'i DadaRabe 01 Aog 2007, 21:02Aza misalasala anefa manampy raha manana an ! :-)
DdRb
ary ny an i dadarabe aloha firy e
Nampidirin'i hery 02 Aog 2007, 05:02Efa roa. Lalina indray ilay fanontaniana ry Hery.
Nampidirin'i DadaRabe 02 Aog 2007, 13:48:-)
Fa azo atao dimy.
"Izao tontolo izao ho an'ny malagasy". Tamin'ny taona 2000-2001 tany ho any ry Hery dia io no soniako tao amin'ny serasera.
Nampidirin'i dadarabe 04 Aog 2007, 00:53Variana aho fa izay tany rehetra alohako dia misy malagasy avokoa.
DdRb
Hamaranako ity resaka ity : Misy antony no nanoratako an'io lahatsoratra io.
Nampidirin'i DadaRabe 06 Aog 2007, 18:20Tsakotsakoy dia avadibadiho.
DdRb