VERY TANY ANKOATRA TANY !
Nampidirin'i dadarabe | 29 Jol, 2007Ny masonao nijery ahy
No nandrehitra ny foko ho afobe mijoalajoala,
Nientanentana fanahy
Toy ny vanton-jaza iny aho, angamba tena lasa adala !
Ny feonao mandangolango,
Nampangotraka ny rako, hihazakazaka aok’izany,
Zary toy ny rapa-dango
Ny fiteliko ireo teny atosakao...mihamamy hatrany !
Ny endrikao misaridriaka
No masoandro manazava ny ao anatiko tontolo,
Toy ny vola-manjopiaka,
Ka ny fiainako rehetra toa voataratrao daholo.
“Tiako ianao”, hoy ianao,
Teo no naharendrika ahy...very tany ankoatra tany,
Asidim-pifaliana aho...
K’angamba hijanon’eny ambony, tsy hiverina eto an-tany !
DadaRabe
La Charité sur Loire
06/05/06 12:37
ha ! ity izany ilay "any ankoatra"...Misy talenta anareo zalahy e !
Nampidirin'i ikalamako 29 Jol 2007, 02:55Tena very tany é!
Nampidirin'i DadaRabe 29 Jol 2007, 15:17Mbola miandry ny navette spatiale hitondra midina.
DdRb
mampitahotra izany very any ankoatra izany ry Dadarabe.
Nampidirin'i Tahiana 02 Aog 2007, 16:36Aza Matahotra hoy ny sasany izay.
Nampidirin'i DadaRabe 06 Aog 2007, 18:22DdRb