ATAOKO TOY NY HOE…

Nampidirin'i dadarabe | 22 Jol, 2007

Ataoko toy ny lasa ny ora niarahantsika,
Ataoko toy ny zahatra nidify teny am-pita,
Ataoko toy ny fefy tsy azo intsony hihoarana,
Ataoko toy ny lalana nanjary toa fiakarana. 

Ataoko toy ny taona tsy hiverina intsony,
Ataoko toy ny hazo nitsahatra namony,
Ataoko toy ny rano niraraka an-tany,
Ataoko toy ny vorona nisidin’any ho any. 

Ataoko toy ny lamba nitriatra sy efa tola,
Ataoko toy ny hanina ‘zay efa bobongolo,
Ataoko toy ny vato nisaraka ts’hitohy,
Ataoko toy ny very, tsy hita sy nafoy.
 
Ataoko toy ny hoe tsy hisy intsony ny andro,
Ataoko toy ny haizina fa lavitra masoandro,
Ataoko toy ny lasa kanefa anatiko any…
Ataoko toy ny hoe… kanefa anie ts’izany! 

DadaRabe
Marseille
04/01/02

31 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "ATAOKO TOY NY HOE…"

  1. Resy lahatra aho ry Hery ! HAy ve i Hery mpiangaly an'ity rahraha ity é! sady manidina ambony mihitsy an !
    Ento miakatra é !
    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 29 Jol 2007, 15:19
  2. Efa fahiny io ry DdRb a :-)
    Tsiky dia ampy

    Nampidirin'i hery 29 Jol 2007, 17:28
  3. Heriniaina Eugène > Tsy ratsy kosa ilay tononkalonao!!!! Ary ianao manan-talenta an ! anisan'ny nakafizakoanao ...........Saingy ........Tsy mpandalo tankariva aho fa .........
    Ilay tsy foinao .... HOY IANAIO

    Nampidirin'i Miah 30 Jol 2007, 10:39
  4. Heriniaina Eugène > Tsy ratsy kosa ilay tononkalonao!!!! Ary ianao manan-talenta an ! anisan'ny nakafizakoanao ...........Saingy ........Tsy mpandalo tankariva aho fa .........
    Ilay tsy foinao .... HOY IANAO

    Nampidirin'i Miah 30 Jol 2007, 10:39
  5. :-)

    Nampidirin'i DadaRabe 30 Jol 2007, 23:55
  6. ohatran'ny mijery match de tennis, lol.

    Nampidirin'i ikalamako 31 Jol 2007, 01:23
  7. Misy ny mise au point kely eny amin'ny fiainana eny r'Ikalamako à ! :-)
    Fomban-javatra ihany izany.
    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 31 Jol 2007, 14:56
  8. .

    Nampidirin'i . 02 Aog 2007, 15:15
  9. Teboka ?
    Teboka mapieritreritra
    Teboka feno erikerika
    Teboka ho enti-mandroso
    Teboka hanala toloko.
    DdRb

    Nampidirin'i dadarabe 04 Aog 2007, 00:56
  10. Teboka hanidiana ny pejy
    Ndrao vizana raha mivezivezy ;
    Sa teboka hatao tsindri-peo
    Hisongadinan'ireo rehetra ireo ?

    Izahay namana eto foana manaraka ireo
    Mba tantaran-dr'ikoto sy r'ikala,
    Mitsiky misaotra anareo
    Mamelombolo ity tranokala .

    Nampidirin'i ikalamako 04 Aog 2007, 11:44
  11. Nadinika ny anaranao aho ry Ikalamako.
    azo atao hoe : Hiaka Lamako.
    Tohizo ny tononkalo fa dia mamaky foana izahay é!
    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 04 Aog 2007, 18:34
«Mialoha   1 2