ATAOKO TOY NY HOE…
Nampidirin'i dadarabe | 22 Jol, 2007Ataoko toy ny lasa ny ora niarahantsika,
Ataoko toy ny zahatra nidify teny am-pita,
Ataoko toy ny fefy tsy azo intsony hihoarana,
Ataoko toy ny lalana nanjary toa fiakarana.
Ataoko toy ny taona tsy hiverina intsony,
Ataoko toy ny hazo nitsahatra namony,
Ataoko toy ny rano niraraka an-tany,
Ataoko toy ny vorona nisidin’any ho any.
Ataoko toy ny lamba nitriatra sy efa tola,
Ataoko toy ny hanina ‘zay efa bobongolo,
Ataoko toy ny vato nisaraka ts’hitohy,
Ataoko toy ny very, tsy hita sy nafoy.
Ataoko toy ny hoe tsy hisy intsony ny andro,
Ataoko toy ny haizina fa lavitra masoandro,
Ataoko toy ny lasa kanefa anatiko any…
Ataoko toy ny hoe… kanefa anie ts’izany!
DadaRabe
Marseille
04/01/02
Resy lahatra aho ry Hery ! HAy ve i Hery mpiangaly an'ity rahraha ity é! sady manidina ambony mihitsy an !
Nampidirin'i DadaRabe 29 Jol 2007, 15:19Ento miakatra é !
DdRb
Efa fahiny io ry DdRb a :-)
Nampidirin'i hery 29 Jol 2007, 17:28Tsiky dia ampy
Heriniaina Eugène > Tsy ratsy kosa ilay tononkalonao!!!! Ary ianao manan-talenta an ! anisan'ny nakafizakoanao ...........Saingy ........Tsy mpandalo tankariva aho fa .........
Nampidirin'i Miah 30 Jol 2007, 10:39Ilay tsy foinao .... HOY IANAIO
Heriniaina Eugène > Tsy ratsy kosa ilay tononkalonao!!!! Ary ianao manan-talenta an ! anisan'ny nakafizakoanao ...........Saingy ........Tsy mpandalo tankariva aho fa .........
Nampidirin'i Miah 30 Jol 2007, 10:39Ilay tsy foinao .... HOY IANAO
:-)
Nampidirin'i DadaRabe 30 Jol 2007, 23:55ohatran'ny mijery match de tennis, lol.
Nampidirin'i ikalamako 31 Jol 2007, 01:23Misy ny mise au point kely eny amin'ny fiainana eny r'Ikalamako à ! :-)
Nampidirin'i DadaRabe 31 Jol 2007, 14:56Fomban-javatra ihany izany.
DdRb
.
Nampidirin'i . 02 Aog 2007, 15:15Teboka ?
Nampidirin'i dadarabe 04 Aog 2007, 00:56Teboka mapieritreritra
Teboka feno erikerika
Teboka ho enti-mandroso
Teboka hanala toloko.
DdRb
Teboka hanidiana ny pejy
Ndrao vizana raha mivezivezy ;
Sa teboka hatao tsindri-peo
Hisongadinan'ireo rehetra ireo ?
Izahay namana eto foana manaraka ireo
Nampidirin'i ikalamako 04 Aog 2007, 11:44Mba tantaran-dr'ikoto sy r'ikala,
Mitsiky misaotra anareo
Mamelombolo ity tranokala .
Nadinika ny anaranao aho ry Ikalamako.
Nampidirin'i DadaRabe 04 Aog 2007, 18:34azo atao hoe : Hiaka Lamako.
Tohizo ny tononkalo fa dia mamaky foana izahay é!
DdRb