ATAOKO TOY NY HOE…
Nampidirin'i dadarabe | 22 Jol, 2007Ataoko toy ny lasa ny ora niarahantsika,
Ataoko toy ny zahatra nidify teny am-pita,
Ataoko toy ny fefy tsy azo intsony hihoarana,
Ataoko toy ny lalana nanjary toa fiakarana.
Ataoko toy ny taona tsy hiverina intsony,
Ataoko toy ny hazo nitsahatra namony,
Ataoko toy ny rano niraraka an-tany,
Ataoko toy ny vorona nisidin’any ho any.
Ataoko toy ny lamba nitriatra sy efa tola,
Ataoko toy ny hanina ‘zay efa bobongolo,
Ataoko toy ny vato nisaraka ts’hitohy,
Ataoko toy ny very, tsy hita sy nafoy.
Ataoko toy ny hoe tsy hisy intsony ny andro,
Ataoko toy ny haizina fa lavitra masoandro,
Ataoko toy ny lasa kanefa anatiko any…
Ataoko toy ny hoe… kanefa anie ts’izany!
DadaRabe
Marseille
04/01/02
Je dédie cela pour Heriniaina Eugène
Nampidirin'i Miah 24 Jol 2007, 17:01Mimiah6@yahoo.fr
aie aie. Andraso ampitaiko ny hafatra.
Nampidirin'i DdRb 24 Jol 2007, 17:09DdRb
ataoko toy ny hoe .... tafitanao ny hafatra...
Nampidirin'i Miah 24 Jol 2007, 17:28Efa tafita ny hafatra :-)
Nampidirin'i DadaRabe 24 Jol 2007, 19:27DdRb
ary miah mbola manimanina an i hery an! tandremo izany.
Nampidirin'i Mike 25 Jol 2007, 15:24Fiainana daholo izany.
Nampidirin'i DadaRabe 25 Jol 2007, 20:22DdRb
ary i hery mody tsy mamaly indray nefa tokony hisaotra fa manana dadarabe mpisolo vava sy mpampita hafatra an ! sambatra raha samy olombelona lahy ianareo ! misaotra ry dadarabe o !
Nampidirin'i ikalamako 25 Jol 2007, 23:07Ataoko toy ny hoe ..... tsy manimanina.....
Nampidirin'i Miah 26 Jol 2007, 16:38Ataoko toy ny hoe ..... boribory ny tany ......lalina ny fiainana eto an-tany fa dia ampifanenan'ny tonokalon'i dadarabe
Mahay ny zanak'olombelona
Mazava izany masoandro any ho any izany ry Miah ! courage é!
Nampidirin'i DadaRabe 26 Jol 2007, 17:07Iny Masoandro iny na hilentika aza ......
Nampidirin'i Miah 26 Jol 2007, 17:17Iny Volana iny na ho takona aza......
Ataovy toy ny hoe...mazava be é!
Nampidirin'i DadaRabe 26 Jol 2007, 19:54Na hilentika aza...
Na ho takona aza....
ataovy toy ny hoe... manao be marenina izy,
Nampidirin'i ikalamako 26 Jol 2007, 23:59kanefa any am-pony toa doboka no re ;
ataovy toy ny hoe ...manao ambozizy,
izato hiranao odiany tsy re...
fa tsy very fanantenana ny olombelona eo anoloan'ny sedra
fa izay kivy, ireo no tena dredra !
Zato ianao ry Dadarabe..... mitady hisedaotra
Nampidirin'i Miah 27 Jol 2007, 14:18Milamina ihany lahy fa mbola lavitra ny any ankoatra .......
Ikalamako> Ny rindrina aza hono manan-tsofina.
Nampidirin'i Miah 27 Jol 2007, 14:22Maharaka tsara i Ikalamako an ! Soa fa teo ianao
Heriniaina Eugène ..... voaraiko ny mail-nao .... saingy .... efa eto @ ity tonokalo ity daholo ny valiny.....
Nampidirin'i Miah 27 Jol 2007, 14:51Tu n'as qu'à le lire... dia Misaora an'iDadarabe
Tsy arako intsony ilay resaka ry zareo.
Nampidirin'i DadaRabe 27 Jol 2007, 17:10DdRb
hihihi...
Nampidirin'i ikalamako 27 Jol 2007, 17:19Ny tononkalonao kosa ange tsara rafitra e ! Ny protagoniste devant scéne, ianao mpitondra teny ary izahay spekta sy mpamakafaka ny votoati-kevitry ny lahatsoratra, lol
Mbola lavitra ny any ankoatra hoy i Miah. Andraso fa misy tononkaloizay alefako. Tsy tadidiko ny lohateny fa misy hoe "any ankoatra".
Nampidirin'i DadaRabe 27 Jol 2007, 19:15DdRb
Hmmm...
Iza loatra
Iza loatra moa ianao
R'ilay mpandalo takariva
No toa tsy hitahita akory
Dia nigadona avy tany
Iza loatra moa ianao
No nangalatra ny antsiva
Ka nanaitra izany tory
Nofenoiko nofy mamy?
Iza loatra
Nampidirin'i Hery 28 Jol 2007, 01:10miady ny baolina e !
Nampidirin'i ikalamako 28 Jol 2007, 01:33Eo ry dadarabe ampio tosika a !