Hevitra mandalo sabotsy 21/07/07
Nampidirin'i dadarabe | 22 Jol, 2007St Pierre, sabotsy faha 21 jolay 2007.
Miarahaba antsika mandalo eto,
Manoratra eto aho izao sabotsy tolakandro izao. Fa maninona ? fa nahoana hoy ianao ?
Tsy dia misy inona fa mba te hanoratra fotsiny aho.
Eto St Pierre et Miquelon aho ankehitriny ary somary mangingina ny tanàna androany. Tsy miasa moa androany (nefa miasa ihany aho satria astreinte). Inona no ataoko eto hoy ianao ?
Mitana ny service de psychiatrie eto aho. Manao ahoana ny asa ? Ny consultation no tena betsaka. Dia misy koa ny marary hospitalisés. Dia mijery ireo marary ny amin'ny toerana samihafa koa (maison de retraite, maison d'arrêt, sns.). Mahafinaritra ny asa. Mahafinaritra ny miasa. Miezaka manampy izay tsy salama. Loharanom-piainana ny fahasalamana. Ny saina, ny vatana, ny fanahy.
Tsy misy mamboly vary eto saingy misy vary azo vidiana. Tsy misy izany ny olana ! Io no fanontaniana voalohany nanontaniako talohan'ny nanapahako hevitra hoe ho avy eto. Misy vary ve any ? Eny hoy ilay talen'ny hopitaly. Afaka mankany aho hoy aho.
Efa niasa tamin'ny toerana maro aho saingy tantara hafa indray izany.
Rahampitso ! Misy fotoana efa nandrasako elaela izay. Fiainana daholo izany !
Dia inona koa no ho lazaiko ?
Izay ihany angamba aloha androany fa mbola handeha aho io.
DadaRabe
Ka misy gasy ve ary any amin io toerana io? Fa angaha moa i dadarabe tsy any marseille sa...izahotara be?
Nampidirin'i Hery 22 Jol 2007, 18:18Ie, misy gasy aty kah ! Izaho aza mba gaga.
Nampidirin'i DadaRabe 22 Jol 2007, 20:03Tena efa ela aho no tany Marseille. Efa tany Aix,La charité sur Loire, Guyane talohan'ny nahatongavako teto.
Angaha hita é !
Lava tongotra izany Dadarabe raha izany
Nampidirin'i kalalolita 22 Jol 2007, 22:00:-)
Nampidirin'i DadaRabe 23 Jol 2007, 19:37toa tena lavatongotra koa i dadarabe koh, lavatongotra hatrato amin'ny blaogy ; misy toa tsy arako ny takelaka avoakan'i dadarabe. Fa taiza itony no tsy hitako raha tsy izao, nefa ny tononkalo sasany toa voavaky ihany ?
Nampidirin'i ikalamako 24 Jol 2007, 01:05Dia toa an'i ikalamako koa ny tenako hoe "hay ve re" any lavitra any indray i DadaRabe no namôka blaogy vaovao eh. Mazotoa sy mahereza namako an! Mankafy hatrany ireo soratrao, na na hatretro na hatrary !!!
Nampidirin'i Andamioly 25 Jol 2007, 00:19Miarahaba an'i Andamioly. Misaotra amin'ny fankaherezana. Ho anao ihany koa. Tadidinao ? Ianao foana no namaky ilay "ataoko toy ny hoe".
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 25 Jol 2007, 17:45ary tena mahery vaika mihitsy io "ataoko toy ny hoe" io an !
Nampidirin'i ikalamako 29 Jol 2007, 02:58