RAHA FANTATRAO RY NENY…
Nampidirin'i dadarabe | 14 Jol, 2007Raha fantatrao ry neny, ny ady izay atrehiko
Aty an-tany lavitra, ny mafy tsy voafehiko ;
‘Reo olana mitranga sedraiko isan’andro,
Ny vatako efa trotraka raha mody ny masoandro.
Raha hitanao ny dinitra mirotsaka ny tavako,
Ireny manaintaina manenika ny vatako,
Nataoko toa tsy nisy, niaretako mazàna,
F’izany no safidiko… ny lalana malama.
Tsy mba fantatrao … ireny alahelo,
Rehef’izaho mahatsiaro sy mba mamelovelo
Ny tranokelintsika…fahiny mantsy izany!
Kanefa anie dia ferako ny foko ts’hitomany.
Fa toy ny vao omaly ‘reo teny nomenao
An-taona maro izay, fony izaho handao,
Hisidin’any lavitra, hikaroka ny soa,
Mbol’ato am-poko ato, tadidiko avokoa.
Fa saingy horovitiko ity taratasy ity,
Ts’izany no andrasanao avy amiko aty,
F’handeha hanoratr’aho: “mazava ny marainako”
“Sambatr’aho ry neny… milamina ny fiainako!”
DadaRabe
Marseille
06/05/01 11:00
mba andefaso tonokalo momba ny fiainana izahay. Misaotra mialoha.
Nampidirin'i jajiha 17 Jol 2007, 11:45Andraso fa hampiditra tononkalo momba ny fiainana aho rehefa avy eo. Misaotra an'i Jajiha
Nampidirin'i DadaRabe 17 Jol 2007, 18:12saika latsaka ny ranomasoko.
Nampidirin'i oly 18 Jol 2007, 21:36Soa ihany tokoa fa norovitinao ilay taratasy fa tsy nalefanao ho an'i neny....
Ranomaso vokatry ny fo ! tsy maninona raha ho an'i neny.
Nampidirin'i dadarabe 19 Jol 2007, 02:48Sa ahoana ?
tsy izany fa tena mampahatsiaro ny fahiny ilay tononkalo
Nampidirin'i oly 20 Jol 2007, 13:24Ny fahiny Fahatsiaro
Ny fahiny zava-maro
Ny fahiny tsy ho very
Ny fahiny anie mahery !
DdRb 20/07/07
Nampidirin'i DadaRabe 20 Jol 2007, 17:00fahatsiarovana tsy azo vonoina
Nampidirin'i oly 25 Jol 2007, 18:30fa mamy mangidy ao anatin'ny fo
tsy zaza matory ........ tsy tadidiko 'tsony ny tohiny
Misaotra an'i Oly
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 25 Jol 2007, 20:21ianao no tena isaorana mandefa tononkalo bdb eto
Nampidirin'i oly 25 Jol 2007, 21:06Andraso fa tsy nahatafiditra aho tato ho ato ry Oly fa miasa be.
Nampidirin'i DadaRabe 27 Jol 2007, 19:55DdRb