HATRAMIN'NY NAHALALAKO ANAO...
Nampidirin'i dadarabe | 14 Jol, 2007Hatramin’ny nahalalako anao…
Dia niova ny tontoloko, niova ny marainako ;
Niova ny fisainako, niova koa ny fiainako ;
Niova ny angolako s’ireny tambitambiko ;
Niova ny masoandro sy ny endriky ny lanitro ;
Niova ihany koa ireo voahary nojereko ;
Niova ny lalàna sy ny didy izay nekeko ;
Niova anie ny lalana sy faritra nodiaviko ;
Niova koa ny kanto sy ny zavatra notiaviko ;
Niova ny fahazarako s’ireny fombafombako ;
Niova ny fandrindrako ny asa izay natomboko ;
Niova ny fandahatro ny ora sy ny andro ;
Niova ny famantatro ny hariva sy ny atoandro ;
Niova ny fijeriko ny manodidin’ahy ;
Niova ny fandiniky ny foko sy fanahy ;
Niova ny famaritro ny mety sy voarara ;
Niova ny fandraisako ny ratsy sy ny tsara ;
Niova hatramin’ny fototry ny sorisorin-tsaiko ;
Niova ireo mamizana sy mankarary ny aiko ;
Niova ny tantarako s’izay rehetra amiko ;
Niova ny anjarako… ianao no lasa mamiko ! …
Hatramin’ny nahalalako anao !
DadaRabe
Marseille
01/08/02 14 :40
Mankasitraka ny ataonao lalandava dia
Nampidirin'i Tiana 15 Jol 2007, 00:44miandry ny manaraka rehetra.
Misaotra amin'ny fankasitrahana Tiana à! Ho avy tsikelikely eo ny manaraka satria misy efa ho 700 tonokalo ato anaty ordinateur-ko ato :-)
Nampidirin'i DadaRabe 17 Jol 2007, 18:10izay vehivavy tsy ho babo amin izao aloha dia asa fotsiny! ;-)
Nampidirin'i ravakamalala 20 Jol 2007, 02:07Misaotra an'i Ravakamalala
Nampidirin'i DadaRabe 20 Jol 2007, 16:58Tadidiko ny nivoahan'ity tononkalo ity voalohany :-)
Nampidirin'i Hery (serasera) 26 Jol 2007, 17:31Ie, efa elaela. Tao amin'ny serasera no namoahako azy voalohany. Tany Marseille aho tamin'izany.
Nampidirin'i DadaRabe 26 Jol 2007, 19:53Misy tantarany angaha ilay izy ry Hery ? :-)
DdRb
ny grave ange dia ity e ; hoy i Mahaleo hoe : "amin'ny voalohany ny fitia...".
Nampidirin'i ikalamako 27 Jol 2007, 16:35Dia miova daholo tokoa amin'ny voalazanao moa izany ry Dadarabe, saingy indrisy...miverina amin'ny laoniny indray avy eo. Asa aloha fa toa tahatahaka izay ilay lalàm-piainana koh !
Mety ho diso aho ve ?
Amin'ny voalohany ny fitia dia oahatry ny mahafinaritra ery. Rehefa ela niarahana....
Nampidirin'i DadaRabe 27 Jol 2007, 17:08Fomban-javatra daholo izany ry Ikalamako. Sa ahoana ?
DdRb