Vaovao RFO hopitalin'ny St Pïerre et Miquelon

Nampidirin'i dadarabe | 11 Feb, 2008

Miarahaba,

Mitondra vaovao fohy fotsiny aho é!
Manao fanatsarana ny hopitaly eo amin'ny fomba fanaovana "prescription" n'ireo fanafody ato amin'ny hopitaly.
Tsy inona izany fa ny fampiasana ny informatika "cristalnet" amin'ny rehe.

Raha mijery ianao dia manomboka amin'ny faha 5:00 (5mn) jerena fa eo no manomboka ilay reportage.

Mazotoa é!

ETO JERENA

DadaRabe

 

DOBODOBO-TAKARIVA !

Nampidirin'i dadarabe | 8 Feb, 2008


Dobodobo-takariva izany foko mihaotrahotra,
Eto an-tampon’ito havoana, lemilemy, vahobahotra !
Mibanjina eny lavitra… efa hila tsy ho hita,
Fa manjavonjavona eny ka tsy tazana avy am-pita.
 (tohiny)

VELOMA VETIVETY (28/11/07)

Nampidirin'i dadarabe | 28 Nov, 2007

Miarahaba,

Efa hadivadiva hifarana ity ny taona 2007. Ho avy ny krismasy, ny taom-baovao.
Mametraka veloma vetivety amintsika namana mpisera tsy an-kanavaka eto amin'ny blaogy.com.  (tohiny)

NOELY MAHANTRA

Nampidirin'i dadarabe | 27 Nov, 2007


Efa akaikikaiky ny volana desambra ary efa manangasanga any ho any ny fetin'ny noely.
Mahatsiaro ireo ankizy. Misy ny manana ary mahazo kilalao. Misy kosa ireo tsy mahazo noho ny tsy fananana.  Mahatsiaro azy ireo.

DdRb

NOELY MAHANTRA

Aiza ianao ry neny tiako!
Maro be ireo faniriako
Amin’izao noely izao,
Manantena kilalao.
 (tohiny)

VAZAHA BOBO

Nampidirin'i dadarabe | 22 Nov, 2007


Tao Betongolo
Indray hariva izay,
Nisy vazaha bobo…
Nampivanaka ahy.
 (tohiny)

«Mialoha   1 2 3 4 5 6  Manaraka»