ZAVA-POANA...

Nampidirin'i dadarabe | 2 Jol, 2009

 

"Zava-poana dia zava-poana, hoy ny mpitoriteny, eny, zava-poana ny rehetra !" (Mpitoriteny 12:8)



Indraindray ny fahanginana...
Manjary misy feo
Anaty toa tsy heno,
Nefa toa milaza
Anaty saina lalina,
Anaty fo fanahy, (tohiny)

TSY AMIDY NY FANAHY !

Nampidirin'i dadarabe | 30 Jio, 2009



Na harena, volamena no alendalenda anao,
Na izao tontolo izao…
Eny, dera, voninahitra sy laza be dia be
Mivangongo rehareha…
 (tohiny)

MIFANKATIAVA IHANY !

Nampidirin'i dadarabe | 20 Mar, 2009




Mifankatiava ihany
Raha mbola velona aina
Tsy misy toy izany ny mampifaly saina
Ny maty efa lasa
Tsy azontsika antsoina
Isika no mikasa
Ny ratsy hadinoina re
Ny maty efa lasa
Tsy azontsika antsoina
Isika no mikasa
Ny ratsy hadinoina
 (tohiny)

IZA NO TIANAREO 2 SA 8 ?

Nampidirin'i dadarabe | 17 Mar, 2009

Iza no tianareo 2 sa 8 ? Hoy ilay zanako vavy 6 taona.

Tsy hanontany anareo aho hoe iza no tianareo 2 sa 8 fa dia anareo no mamaly any an-tsaina.

DadaRabe

 

NY FIALONANA, FANKAHALANA, FITSIRIRITANA

Nampidirin'i dadarabe | 6 Mar, 2009

Na inona na inona ataontsika, na aiza na aiza misy antsika, na inona na inona firehantsika : Ny fialonana, ny fankahalana, ny fitsiriritana dia loza mitatao !

DadaRabe



NY FIALONANA, FANKAHALANA, FITSIRIRITANA

Ny fo feno fialonana
Ary tsy mahay mionona,
Eny !  Manantena foana
Ny an’ny hafa eo anoloana…
Dia toy ireny harafesina mandavaka ny vy,
Mahatonga fahalovana, mandrotika ny tsihy

 (tohiny)
1 2 3 4 5 6 7 8 9  Manaraka»