AZA AMPIJALIANA NY TENINTSIKA (DdRb)

Nampidirin'i dadarabe | 8 Apr, 2008

Miarahaba,

Ity misy lalàna vitsy momba ny teny malagasy nalefan'ny reniko ho ahy (Mme RABE Paule, mpampianatra malagasy) efa ho taona maromaro izay. (lavalava ihany an!) :

DdRb

Règle 1: Raha miantomboka voyelle, mianjera ny "o" @ ho sy no
- Raha renisoratra teny iray.
Oh tenenina - hotenenina - notenenina
Règle 2: Tsy mitambatra ny "ho" raha miaraka amin'ny fototeny.
Ho re nefa horenesina
Ho tonga  notongavina

Teny miantomboka @ H
Aorian'ny: mba, tokony, tia, te, ta, afaka, madiva, ndeha, aoka
oh: tokony horaisina
- Rehefa tsy hay raha misy h na tsia dia atao fanakambanan-teny na asiana "an-" eo alohany. Raha heno ny "k" dia miantomboka amin'ny "h" ny teny.
an-kandrina -> handrina
lalan-kitan- -> hita

- Ny fototeny ny teny misy ng dia misy "h" mangatsiaka -> hatsiaka

- Ny anarana rehetra any amin'ny adj dia misy "h"
mena -> hamena, mazava -> hazava

Mikambana sa tsia
- Maha:
Raha ny heviny hoe "mahatonga ho" dia mikambana -> mihatsara
Raha manavaka hevitra teny roa: Maha-olona

- Ny tovana rehetra mikambana amin'ny fototeny: mihatsara sns

- Samy hafa manao ahoana sns.

Raha eo aloha mijanona ho teny 2 samy hafa ny fiteny, nefa fiteny samihafa.

Eo amin'ny teny milaza toerana misy:
an oh: an-tsekoly. afara, Antsiranana

- Fiforonan'ny verbe circ: mahandro - miala ny an, misy tovana -ana -> ahandroana.

Matoantenin'ny iharana: Passif
FT+ina na +ana -> vakina - totoina - raraka -> k lasa h: rarahina
ilaina nefa hotazana -> "z" fanatsaram-peo.

Toa sy toy
Toy ny: toa an'i, toa olona sns.
Noho: eo no ho eo, folo taona no ho miakatra, Maro no ho tonga noho ny firaisan-kina.
Lehibe noho ilay nasaina - Raha milaza fotoana: nony tonga izy, Izy no teo.
Raha misy ny aoriana: Noho ny - Tahaka ny - ohatra ny - Momba ny -> Pronom pers: izaho, ianao izy, izahay, ianareo.

FITSIPI-PANORATANA
Tadidio: Ezaka, anikeheo, te-hilalao

Fanakambanan-teny raha renisoratra ny teny faharoa.

I-KA-TRA
1) Miala ny Ka, Tra, soloina tsipi-panohizana,
satroka-zaza -> satro-jaza sns.
(h ->k, s ->ts, l ->d, v ->b, r ->dr na dh, z ->j, f ->p)

2) Raha misy "ny" aoriana, ka, tra -> ky try satroky ny zaza.

3) Raha anaran'olona satroky Rakoto

II-NA ny teny voalohany.
Raha miantomboka @ "ni" na "n" ny teny faharoa: mianjera ny "na" oh: tavia-miaramila.

Raha @ litera hafa dia "a" mianjera soloina "-" oh tanan-jaza, haizim-pito

III-Raha tsy miafara amin'ny KA, TRA, NA ampiana "na" dia toy ny eo ambony taniva vary -> tanim-bary.
(Tanimbary Milaza zavatra concret mitambatra)

Raha zanatsoratra ny teny faharoa: na misy "ny"

1) Raha mpanao ny asa na tompon-javatra ihany no misy faingo mihantona.
oh: hevitr'olona, lanjain'ny vahoaka.

2) Raha adj ny 2ème na COD dia mijanonaa ho teny roa
oh: varotra olona, zaza alika

Ny tsika dia manaraka io koa: tanantsika, lobatsika.

Manaraka io koa ny teny verindroa
oh: petraka -> mipetrapetraka.

Mari-potoana:
Ny matoanteny (verbe) miamtomboka amin'ny "m" amin'ny ankehitriny (présent) dia tsy afaka miantomboka amin'ny zana-tsoratra fa : misoma, hisoma, nisoma: m/h/n

Ankoatra izay: zéro/no/ho. ilalaovaha -> h(o)ilalaovana -> hilalaovana
n(o)ilalaovana -> nilalaovana

Ny momba ny jenetikan’ny mponina ao Madagasikara :

Nampidirin'i dadarabe | 27 Feb, 2008

Ny antsasaky ny “lignées génétiques” n’ny mponina ao Madagasikara dia avy amin’ny olona tany Bornéo, izay mielanelana 7000km amin’i Madagasikara. Ny antsasany kosa dia avy any amin’ny mponina avy any Afrika atsinanana.

Ny nosy Madagasikara dia 400km mielanelana amin’i Afrika. Misy valim-pikarohana vaovao nivoaka tamin’ny “American Journal of Human Genetics”, nampiseho fa misy mampiavaka manokana ny mponin’I Madagasikara.

Vao voalohany izao no nahafahana namaritra mazava tsara ny fototry ny “lignées génétiques” n’ny mponina Malagasy, sy ny toerana tokony ho niaviany, ary azo heverina ho manakaiky ny marina hoy ny Dr Matthews Hurles ao amin’ny Wellcome Trust Sanger Institute.

Ireo mponina ireo dia fifangaroana 50/50 ny vondrom-pirazanana anankiroa. Tsara ny manambara fa ireo taranaka ireo dia nifangaro nandritra ny taonjato maro hatramin’ny fiatombohan’ny fisian’ny olona teo amin’io nosy io hoy izy. Ireo marika arkeolojika dia maneho fa vao haingana ny fisian’ny mponina tao amin’ny nosy : eo amin’ny 1500 taona.

 (tohiny)

MILA FITIAVANA (eritreritra momba an’i Madagasikara)

Nampidirin'i dadarabe | 19 Feb, 2008


    Miarahaba,

    Tsy ho lava resaka aho fa ny eritreritra manitikitika ny saiko no ambarako. Matetika aho rehefa miresaka aminareo namana, na mifanatrika , na an-telefaonina, na amin’ny internety ka miady hevitra momba ity Madagasikarantsika ity, dia maro ny lohahevitra tonga ao an-tsaiko. Ny tiako ho asongadina manokana satria izay no hitako lehibe indrindra dia ity ambarako manaraka ity.

    « Na inona na inona ataontsika, na inona na inona tanjona heverintsika ho an’i Madagasikara, raha tsy misy ny FITIAVANA NY TANINDRAZANTSIKA dia zava-poana, eny, zava-poana ihany izany ».

    Raha ny mpitondra, ny mpanohitra, ny vahoaka no miasa noho ny fitiavana tanindrazana fa tsy noho ny fitiavan-tena dia izay no fiandohan’ny fandrosoana.
 (tohiny)

HIARAKA HANDRESY !

Nampidirin'i dadarabe | 27 Jan, 2008


Dinidinikay sy I Madagasikara manokana.

DdRb

HIARAKA HANDRESY !

Raha sitrakao…

Hiaraka isika !
Hiroso sy hiampita,
Hisaina sy ho fetsy,
Hiaina sy handresy.
 (tohiny)

IANAO NO MAHALALA

Nampidirin'i dadarabe | 16 Aog, 2007
 (tohiny)