ATOLOTRO HO ANAO

Nampidirin'i dadarabe | 14 Feb, 2008

Raha toa aza tsy nisy
Ny teny hoe “fitia”
Dia noforoniko,
Izany ho anao.

 (tohiny)

HOE "TIA"

Nampidirin'i dadarabe | 13 Feb, 2008

Tsy ny teninao hoe tia,
Tsy ny orokao doria,
Tsy ireny angola mamy,
Fa ny fihetsikao ihany.
 (tohiny)

SOA FA MINO IANAO !

Nampidirin'i dadarabe | 5 Feb, 2008

Soa fa mino ianao…

…Fa misy ny fitiavana tsy lefin’ireo taona,
Tsy tototry ny atsanga ;
Tsy ravan’ireo mafy sy ny alina misaona
Na ny olana mitranga.
 (tohiny)

MANINA ANAO !

Nampidirin'i dadarabe | 30 Jan, 2008


Manina anao…

Dia eto manonofy ireny andro lasa…
Niarahana nidola,
Nitosy, nikotaba, nihira sy nikasa,
Niventy angolangola.
 (tohiny)

NIANDRY ANAO…

Nampidirin'i dadarabe | 24 Jan, 2008


Teo an’aho ka teo niandry sy naniry…
Sy nanantena anao,
Ny masoko nibanjina, nitopy efa impiry,
Fa ho avy anie ianao !

Dia velon-kira irery !
Tsy sasatra nijery !
 (tohiny)

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8  Manaraka»