AVIA ETO ANILAKO !

Nampidirin'i dadarabe | 31 Aog, 2008



AVIA ETO ANILAKO !

Ry tiako,

Eny mety ho henjana ny fiainantsika akia !
Misy ny tsy rariny, misy ny tsy tia,
Ny lalana diavina tsy mora foana koa,
Ireny faniriana dia maro no tsy to !
 (tohiny)

HENOKO INDRAY !

Nampidirin'i dadarabe | 28 Aog, 2008



HENOKO INDRAY !

Henoko indray ilay fitiavako iny,
Fitiavako fahiny,
Fa tsikinao nandalo iray minitra monja…
Dia indro fa nanonja,
Ilay hiaka ato anaty
Nataoko ho efa maty !
 (tohiny)

SAMBATRA !

Nampidirin'i dadarabe | 27 Aog, 2008


SAMBATRA !

Sambatra ny fiainako fa manana anao,
Tsy miova, tsy mandao…
Na andro lohataona, na alina ririnina,
Ianao azoko iankinana,
Hitantana ny dia,
Ety an-tany ety !
 (tohiny)

IANAREO TELOVAVY

Nampidirin'i dadarabe | 13 Mar, 2008


IZA NO TIAKO ?

Iza no tiako ‘nareo telovavy ?
Ny eo afovoany fa matavitavy !
Iza no manja sy mahafatifaty ?
‘Zay be takolaka no iriako mafy !
 (tohiny)

IZY INDRAY ANTSOINA !

Nampidirin'i dadarabe | 11 Mar, 2008

Izy indray antsoina...

...Raha hitanao fa izy no afaka hampitony
Ny fahanginanao,
...Raha toa efa izy no felana mamony
Sy fahasambaranao.

...Raha tsapanao fa any no volana baliaka
Mazava sy manjelatra,
Ka afaka ampihiratra ny endrikao sariaka,
Hiakaranao ny sehatra.

 (tohiny)

1 2 3 4 5 6 7 8  Manaraka»