TSAROVY !
Nampidirin'i dadarabe | 6 Sep, 2009
Raha hitanao indray mihiratra ny andro,
Mazava ny masoandro,
Tsarovy ireo maraina…
Niarahana niria, nahamirana ny saina.
(tohiny)
Tononkalo sy fiainana

ILAY VARAVARANKELY (Valin-kira ho an’i DOX)
Fahazaranao ny mandalo eo sy mitazana azy
Dia mamazivazy…
Sy mankafy ny hakantony…fahasambaranao,
Anjely milalao,
Mitsiky ka mitsiky,
Tsy aritrao mihitsy !
(tohiny)

Na ireo fanaintainany
Na ireo fifaliana afeniny ao am-po,
Tandroviny tokoa
Ka tsy tiany aseho
Sy tsy asiany feo.
(tohiny)

Ny nofinofinao no entiko miaina
Sy entiko misedra ny andro be migaina
Ary ireo hariva mangitsy, mamanala…
Ekeko an-tsitrapo, lalaiko tsy an-kisala,
Ventesiko raha alina,
Any an-torimaso lalina.
(tohiny)
AVIA ETO ANILAKO !
Ry tiako,
Eny mety ho henjana ny fiainantsika akia !
Misy ny tsy rariny, misy ny tsy tia,
Ny lalana diavina tsy mora foana koa,
Ireny faniriana dia maro no tsy to !
(tohiny)