ILAOZAKO NY ATY

Nampidirin'i dadarabe | 25 Nov, 2007


Handeha aho ka mametraka veloma aminao,
Tsy sitrako kanefa izany no efa anjara,
Satria ny lalantsika dia sampanana hatrizao,
Ka tsy ho asiana nenina fa vita toa tantara ;
Tantara fohy dia fohy,
Tantara tsy mitohy,
Niarahana nitondra
Rahona sy onja,
Tsy nasiana dina na fefy ho arofanina,
Fa samy mba nigoka ny mamy tiany hohanina.
 (tohiny)

VAZAHA BOBO

Nampidirin'i dadarabe | 22 Nov, 2007


Tao Betongolo
Indray hariva izay,
Nisy vazaha bobo…
Nampivanaka ahy.
 (tohiny)

FONY IANAO...

Nampidirin'i dadarabe | 16 Nov, 2007

Fony ianao nisambatra tam’ tsikitsikiko...
Sy ireny teny mora, s’ireny bitsibitsiko,
Dia nahafaly anao ny kely mba fisainako...
S’ireny angano tsotra namefy ny fiainako.
 (tohiny)

ANY HO ANY… (Tononkalon'i FeNoTia)

Nampidirin'i dadarabe | 16 Nov, 2007

Any ho any ilay tsy foiko 
Ilay nandrimbona ny foko
Izaho aty toa olom-bery
Lasa olo-manirery
 (tohiny)

ITY EFITRANO ITY

Nampidirin'i dadarabe | 15 Nov, 2007

Ity efitrano ity dia nahalala anay
Sy ny tantaranay ;
Tato no niantomboka ireny tsipi-teny
S’ireny tsiky kely ;
Nirehitra, nirehitra, niredareda be
Nanjary tsy voafehy.
 (tohiny)
«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 ... 19 20 21  Manaraka»