AZA AMPIJALIANA NY TENINTSIKA (DdRb)

Nampidirin'i dadarabe | 8 Apr, 2008

Miarahaba,

Ity misy lalàna vitsy momba ny teny malagasy nalefan'ny reniko ho ahy (Mme RABE Paule, mpampianatra malagasy) efa ho taona maromaro izay. (lavalava ihany an!) :

DdRb (tohiny)

TONGA SOA I MALALA

Nampidirin'i dadarabe | 4 Apr, 2008

Miarahaba,

Tsy afaka nitsidika blaogy tato ho ato é! tsy izany fa tonga soa ao an-tranonay tamin'ny herinandro lasa teo i Malala RABE. Zazavavy kely izy.

Jehovah Andriamanitra anie hitahy azy aminy fiainany rehetra !

Izay aloha fa hiverina eo ihany !

DadaRabe

 (tohiny)

Tsara be ilay soso-kevitr'i Lap izay efa nolazain'Ikalamako koa

Nampidirin'i dadarabe | 28 Mar, 2008

miarahaba,

Somary be erehina be aho io fa miverina eo ihany.

Mahafinaritra be ireo soso-kevitra momba ny teny malagasy. "Aza ampijaliana" hoy ireo namana.

Miverina eo ihany aho fa mbola hazakazaka be.

Manantena antsika rehetra satria ny asa vadi-drano tsy vita tsy hifanakonana !

Vetivety monja !

DadaRabe

AKAIKIKAIKY PASKA ‘TY ANDRO

Nampidirin'i dadarabe | 21 Mar, 2008

Akaikikaiky paska ‘lay andro,
Voairaka  teo Petera Sy Rajaona,
‘Ndana malaky anie 'nareo mahandro !
Mofo mba hohanintsika f’efa noana !

Nipetraka mba hihinana zareo,
Io fa nandray kapoaka koa ny Tompo,
Ary niteny farimparim-peo,
Rako io ka ndao malaky mba hisotro !
 (tohiny)

Tantaran'i ZAKILININA SY DIDINTSOKINA

Nampidirin'i dadarabe | 19 Mar, 2008
Miarahaba,

HO tohin'ny tantara dia nisy koa ireo namana hafa toa an-dry Zakilinina, Didintsokina, Ketamanga, Lezo, sns.

ZAKILININA SY DIDINTSOKINA

Zakilinina sy Didintsokina:
Ny iray matavy, ny iray bebokona,
Tratra nitsindroka voamadilo,
Voasazy nipetraka tam’tsilo!
 (tohiny)
«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 ... 21 22 23  Manaraka»