SARY RIRININA St Pierre et Miquelon 2007-2008

Nampidirin'i dadarabe | 10 Mar, 2008

Miarahaba,

Rohy mankany amin'ireo sary rehetra.

Indreto misy sary vitsivitsy maneho ny ririnina eto St Pierre. Tsy mbola vita akory ny ririnina fa na dia izany aza efa mba azoazo kokoa izao.

DadaRabe (tohiny)

MIARAHABA NY ANDRIAMBAVILANITRA

Nampidirin'i dadarabe | 8 Mar, 2008


Dia miarahaba ny ANDRIAMBAVILANITRA rehetra amin'izao 8 mars izao. MIrary anareo hahita ny soa sy ny meva amin'izao fiainana izao.

DadaRabe

Ity misy hirahiran'i LOLA : "NY VEHIVAVY" ho zaraina amintsika. (tohiny)

IZAHO TSY NIOVA AKORY…

Nampidirin'i dadarabe | 5 Mar, 2008


Izaho tsy niova akory fa toy ilay fantatrao
Fotoana maro izay…..ny ora no nandao,
Ny andro no nisolo, ny endrika no niova
Nodiavin’ireo taona, narirariran’onja.

Izaho tsy niova akory fa mbola adaladala,
Vao mahita anao dia tsy mba mety miala
Fa mbola dobodoboka ny foko faly erỳ !
Toy ireny vanton-jaza vao mianatra fitia.
 (tohiny)

ILAY AMPITSO

Nampidirin'i dadarabe | 3 Mar, 2008


Manofy ilay ampitso mamerovero fatratra,
Manofy lendalenda, diavolana tomaratra,
Manofy taona zina sy fararanom-bokatra,
Manofy tojo tanjona, tafakatra ny tohatra,

Manofy fahasambarana, fotoana paradisa,
Manofy fisantarana ny mamy tsy hita isa,
Manofy lohataona ravaham-boninkazo,
Manofy andro miratra ventesim-bazovazo,
 (tohiny)

IZAHO (DdRb) sy IANAREO (namana)

Nampidirin'i dadarabe | 29 Feb, 2008


1-    ANDRIAMANITRA no teny voalohany.

2-      Lehibe amiko ny tanindrazana sy ny fianakaviana (manam-bady aman-janaka). Mahafinaritra ahy izay rehetra momba ny malagasy. Tiako ny mampianatra, mizara, mikaroka.

3-      Be nofinofy aho. Ao anaty nofinofiko aho feno zava-marobe. Ny sasany dia inoako fa ho avy. Ny sasany efa tonga. Ny sasany aleo tsy ho tonga !

4-      Ny fialam-boliko ankehitriny : Tononkalo, gitara, mihira sy mamoron-kira.

5-      Maro ny mpihira tiako. Ho singaniko manokana I Mahaleo, Lolo SNT.

6-      Mivezivezy toa firaka atakalo aho izao (10.000km)

7-  
AMEN no teny farany.



Mahafinaritra daholo ny namana rehetra : (ialana tsiny izay tsy voatonona)

Ikalamako (mpanome :-), Pissoa (the malagasy), maintikely (mampahatsiaro ny méditerranée), Lehilahytsyresy (mpiara-mitendry gitara), Sazykely (mpisangisangy), Tsikisariaka (mpiray fikambanana), News2Dago (mpilaza vaovao), Ryana (mpizara tononkalo), Tsiky (mpanafana resaka), Pone (mahalasa saina), Lap (mpandalo), NyEja (Mpiray zava-kanto), Simp (mpiresaka), Hery (mitsiky dia ampy), Soanja (Zaza niara-nitombo), Harilova (mpandinika ny fo), Tokinao (Mpitety tany), Rajiosy (avy any Israely), Helisoa (Mpahay site), Malala13 (namana Marseille), Karako (atsy akaiky atsy), Lalaina (Tsy mbola fantatro hoe iza izy), mpitory (mpizara teny masina), Jogany (Mpitagy), sns.

 (tohiny)

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 ... 18 19 20  Manaraka»