AVIA ETO ANILAKO !

Nampidirin'i dadarabe | 31 Aog, 2008



AVIA ETO ANILAKO !

Ry tiako,

Eny mety ho henjana ny fiainantsika akia !
Misy ny tsy rariny, misy ny tsy tia,
Ny lalana diavina tsy mora foana koa,
Ireny faniriana dia maro no tsy to !
 (tohiny)

HENOKO INDRAY !

Nampidirin'i dadarabe | 28 Aog, 2008



HENOKO INDRAY !

Henoko indray ilay fitiavako iny,
Fitiavako fahiny,
Fa tsikinao nandalo iray minitra monja…
Dia indro fa nanonja,
Ilay hiaka ato anaty
Nataoko ho efa maty !
 (tohiny)

SAMBATRA !

Nampidirin'i dadarabe | 27 Aog, 2008


SAMBATRA !

Sambatra ny fiainako fa manana anao,
Tsy miova, tsy mandao…
Na andro lohataona, na alina ririnina,
Ianao azoko iankinana,
Hitantana ny dia,
Ety an-tany ety !
 (tohiny)

MISY LASA BIBY...

Nampidirin'i dadarabe | 24 Aog, 2008

Tena maro izay zavatra nampalahelo hita sy heno tetsy sy troa izay tao ho ao. Ny farany teo dia ilay zazavavy kely hita tery Anjanahary. Tena mahavaky fo sy mampiteny hoe "Misy tena efa lasa biby ve ny olona é!"

 (tohiny)

MITANDREMA ISIKA !

Nampidirin'i dadarabe | 17 Aog, 2008


MITANDREMA ISIKA !

Mitandrema isika !
Ny tany diavintsika anie ka feno fikafika,
Feno fitapitaka...
Dia fotaka mandrevo sy loza miparitaka.
 (tohiny)