I KOTO SY I KETAKA (Adiadin’ny mpifankatia)

Nampidirin'i dadarabe | 10 Feb, 2013

I KOTO SY I KETAKA (Adiadin’ny mpifankatia)

Avia indry ry Ketaka f’izaho ange be vola !
- Avy taiza indray ? Nalaina tamin’i Mbola ?
Tsy vola nangalarina fa latsaka tsy nahy,
Izy no adala nanary, tsy mahay !

Avia indry ry Ketaka f’izaho nahazo fiara !
- Io indray i Koto fa mandika ‘zay voarara !
- Zavatr’olona io ! Nahoana no nalaina ?
- Vidin’asan’olona ka tonga dia gejaina ?

Avia indry ry Ketaka f’ izaho no tena rôla !
Izaho tsy nilalao dia tompon-daka tam’baolina,
Voadaka ny arbitra, naratra ireo zoera,
Ireo izay nihazakazaka natosiko nianjera !

- Aoka re ry Koto ! Ianao ve lasa adala e ?
- Manao barofo foana, minia tsy mahalala !
- Mba misy anie ny rariny, mba saino kely monja !
Mangina indry ry Ketaka sao hiditra any am-ponja !

Tsarovy izao ry Ketaka ary aleteho an-tsaina !
Ny ahy mirevy foana, mitraina sy midaina !
Mandihy dia milalao …Tafita foana aho !
Na iza anie tsy ho faly, izay tiako no atao !

Izaho tsy miraharaha ! Izaho no sefo be !
Raha te handeha i tena, dia betsaka no te…
- Tandremo ihany ry Koto, ny ratsy mitampody !
- Fa misy Zanahary, misy tsiny, misy tody !

DadaRabe
10/02/13  17 :35


2 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "I KOTO SY I KETAKA (Adiadin’ny mpifankatia)"

  1. O ry Koto a, mba etsy kely anie,
    - Ahoana izay ry Soa ?
    Mba ampiasao ihany re izay nomena anao
    Aza adinonao ireo anatra natao.

    Soa kely ô ? anatra inona moa ?
    - isika Malagasy mahay io avokoa
    Tsy inona izany fa ilay fihavanana
    Natao itsinjovana ity tanindrazana

    - Andrekaky ô, inona ‘ty lazainao ?
    Angaha moa misy izany, toa adinoko avao ?
    - aoka etsy ry I Koto, diniho sy halalino
    Fa tena misy izany, marina tsy tonta !

    - Dia ahoana no hataoko @ ireto bibikeliko efa vita zato maro ?
    - fa inona izany ? ‘ndeha re vonoy any !
    - Tsy ho vitako intsony, ny mamono azy ireo,
    Manimba tanimboly, manimba tanimbary !

    Indrisy re ry I Koto, nahoana loatra re,
    No dia manao izany ianao zanaky ny tany ?
    - tsy zanatany aho, ny saiko efa voageja,
    Tsy afaka mipody, tsy afaka mivenjy !

    Anaro ny ankizy, tsy ho lasa Koto adala
    Ny ao an-trano ihany no anaovana hasoparana
    Hanaro I kala Soa, hahay ho tia fianarana
    Tsy hiankina amin’I Koto ilay tsy tia tanindrazana !!!

    (Kdaombaramita 11/02/2013)

    DDrb : tu m'as fait piqué une crise !!!!!

    Nampidirin'i Kdaombaramita 11 Feb 2013, 17:33
  2. Clap clap clap ! Misaotra Kdaomba a!

    Nampidirin'i DadaRabe 11 Feb 2013, 19:56
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article

 This is the ReCaptcha Plugin for Lifetype