ZARAKO AZA IANAO !

Nampidirin'i dadarabe | 8 Jan, 2013

ZARAKO AZA IANAO !

Zarako aza ianao miteny mafy ahy,
Manindrona fanahy,
Tsy mila tambitamby fa mila kisa koa…
Kanefa avy eo tso-po !

Zarako aza ianao masiaka vao maraina,
Mahaketraka ny saina,
Tsy misy andraso andraso, tsy mifidy teny…
Kanefa avy eo malemy !

Zarako aza ianao midongy tolakandro,
Mahamatroka ny andro,
Ka hila hahatorovana sy hampihidy vazana…
Kanefa avy eo fitiavana !

Zarako aza ianao manao ohatran’izany
« Raha » vetivety ihany…
Toy izay hoe mody tsotra sy tena mahay miangoly…
Kanefa avy eo devoly !

DadaRabe


4 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "ZARAKO AZA IANAO !"

  1. Marina izany... mankasitraka eh!

    Nampidirin'i fanhaiky 09 Jan 2013, 09:53
  2. ouaaahh "Toy izay hoe mody tsotra sy tena mahay miangoly…
    Kanefa avy eo devoly !" tsy itako indray iny, misaotra e !

    Nampidirin'i Kdaombaramita 09 Jan 2013, 10:51
  3. Misaotra o :-)

    Nampidirin'i DadaRabe 09 Jan 2013, 14:04
  4. Angamba tsy izaho ihany
    fa ny olon eto an-tany,
    no mandia fitiavana
    tsy laitra nogiazana,
    ka izay indrindra anie
    no aborako aminao
    tsy hoe masiaka be,
    Fitia tsotra izao !

    Nampidirin'i Anjarapiso 11 Feb 2013, 20:56
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article

 This is the ReCaptcha Plugin for Lifetype