RY VOLANA !

Nampidirin'i dadarabe | 1 Mar, 2011

Ry volana mirehitra,
Mamiratra aok'izany !
Mazava sy manjelatra,
Mampiakatra vinany.

Rivo-dranomasina
Mitsoka miantsinanana,
Mifono zava-miafina
Sy nofinofy lalina !

Fa any lavitra any
'Reo havana sy namana,
Izaho an-tsesitany
Noho ny tsy fananana.

Ry volana baliaka
Na irery aza aho aty,
Mahita anao sariaka
Dia ravo...mankafy !

DadaRabe
16/02/11 21h30

 


16 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "RY VOLANA !"

  1. Mankasitraka DadaRabe a.

    Nampidirin'i LehilahyTsyResy 01 Mar 2011, 09:06
  2. hmmm, tsara !

    Nampidirin'i Kdaombaramita 01 Mar 2011, 16:44
  3. Misaotra tompoko ô !

    Nampidirin'i DadaRabe 01 Mar 2011, 19:46
  4. manja eee

    Nampidirin'i simp 01 Mar 2011, 22:30
  5. tsara...
    sesintany taiza Ra dadarabe...?...sady sesintany irery...sa aingampanahy fotsiny?

    Nampidirin'i finoanaranoray 02 Mar 2011, 06:15
  6. Iny volana iny mantsy ... hi hi

    Nampidirin'i pissoa 02 Mar 2011, 11:30
  7. An-tsesitany foana e

    Sesitany an-tsitrapo :-)))))

    Iny volana iny mantsy ....

    Misaotra e !

    Nampidirin'i DadaRabe 02 Mar 2011, 12:25
  8. sambatra hoa iny volana iny....

    Nampidirin'i ikalamako 03 Mar 2011, 10:51
  9. Iny volana iny tsy tsinjon'olona faly(Lolo sy ny tariny )

    sambatra iny volana iny
    banjininao marain-tsy hariva...
    (sa ahoana moa ????)

    Nampidirin'i DadaRabe 03 Mar 2011, 11:35
  10. Miandry ny masoandro hiposaka
    kosa ny rehetra .Efa ela no maizim-bolana ny aty .

    Nampidirin'i malagasycool 03 Mar 2011, 12:53
  11. Torotoro....
    Ny masoandro milentika mbola AtoandroFa ny aty maizimbolan'ô !

    Nampidirin'i DadaRabe 03 Mar 2011, 15:06
  12. Soa ihany fa ny aty na ny any, samy afaka miara-mifaly mahita ito volana manazava ny tany koa dia isaorana ilay Nahary Nampidirin'i Berthine St-Pierre et Miquelon 09 Mar 2011, 01:53
  13. reconditioned power tools acupuncture needles obagi blue peel buy deramaxx jones new york Nampidirin'i nuls 10 Mar 2011, 18:23
  14. Ry volana eny ambony,
    manazava mitsilopy
    toa mamindra hafanana,
    manome fanantenana

    Fa any lavidavitra any,
    irery ery izany silaky ny aiko,
    tsilovy akia ny volana ao an-tokontany
    fa io no fibanjiko aty an-tany fiasàna

    Rivo-dranomasina mifioka,
    Miova dia isan'andro,
    Ho sanatria anie ny toa anao,
    ka hivengivengy lava izao!

    Any andro, any volana,
    handinganan-dranomasina,
    hahitako izany havako
    Ny tananao, tsy maintsy tànako.

    Nampidirin'i Tokinao 16 Mar 2011, 22:16
  15. Manja é !

    Nampidirin'i DadaRabe 17 Mar 2011, 00:29
  16. Berthine, Tokinao >
    Misaotra ô

    Nampidirin'i dadarabe 24 Apr 2011, 01:45
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article

 This is the ReCaptcha Plugin for Lifetype