TRATRY NY TAONA !

Nampidirin'i dadarabe | 1 Jan, 2011

 

Ny irariako ho anao
Dia taona vaovao…
D’ilay nandrasanao
Ho amin’ny fiainanao !

Ho taona fiovàna !
Ho taona fihatsàrana !
Ho feno fifaliana !
Ho tojo izay iriana !

Hidera ilay Mpahary !
Hikalo ny voahary !
Hiventy ny hosana !
Hihira fiderana !

Ho fahasalamana !
Ho tsiky sy hafanana !
Ho ambinina harena !
Hahazo izay kendrena !

Hitsinjo ireo mahantra !
Hizara ary hihantra !
Hamita asa soa !
Hitondra mamy koa !

Ny faniriko ho anao
Dia taona vaovao….
Ho tena fahasambarana !
Ho Taonan’ny « Fitiavana » !

DadaRabe
01/01/11        0 :01


14 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "TRATRY NY TAONA !"

  1. Arahabaina ianao DadaRabe tratry ny taona 2011. Enga anie hitondra zava-tsoa maro ho anao sy ny fianakavianao koa ity taona vaovao ity.

    Nampidirin'i lehilahytsyresy 01 Jan 2011, 16:36
  2. Misaotra anao ry dadarabe .Mirary taona sambatra sy feno tononkalo ho anao.

    Nampidirin'i malagasycool 01 Jan 2011, 21:13
  3. tratry ny taona DadaRabe a, dia ireo tokoa moa no irariana izany...atao betsaka ny firariana ka raha tanteraka na dia ny ampahatelony aza dia efa isaorana ny Avo :)

    Nampidirin'i ikalamako 02 Jan 2011, 00:32
  4. 010111001
    ;-)

    Nampidirin'i 3920 02 Jan 2011, 00:40
  5. Misaotra antsika rehetra e !
    Enga anie ho taona feno fanambinana ho antsika ity taona vaovao ity !

    Nampidirin'i DadaRabe 02 Jan 2011, 03:31
  6. Arahaba nahatratra ny taona Dadarabe ! Dia misaotra amin'ny tonon-kalo. Amen hi hi.

    Pissoa

    Nampidirin'i pissoa 03 Jan 2011, 12:48
  7. Ny soa rehetra no hitobaka amintsika mianakavy e !

    Amen !

    Nampidirin'i DadaRabe 03 Jan 2011, 15:52
  8. Arahabaina ianao tratry ny taona DadaRabe, mandalo ka dia faly mahita tononkalo vaovao. Mankasitraka

    Nampidirin'i malagasyzen 06 Jan 2011, 23:44
  9. Miarahaba e ! mirary taona feno fiadanana ho antsika !

    Nampidirin'i DadaRabe 06 Jan 2011, 23:47
  10. Kanto foana ny tononkalo, indrindra ny an'i DadaRabe :) mamerina ny firariantsoa amin'ity taona vaovao ity ô ! Mankasitraka hatrany.

    Nampidirin'i Tritriva 10 Jan 2011, 16:45
  11. Dia mirary soa ho anao sy ny mpiblaogy ary ny mpitsidika koa e. Mahereza daholo.

    Nampidirin'i Tokinao 15 Jan 2011, 23:13
  12. Mamerina ny firarian-tsoa !
    hitobaka tokoa anie ny soa sy ny mamy !

    Nampidirin'i DadaRabe 16 Jan 2011, 02:48
  13. Tokony nosoratanao tam 1:11 lol!

    Nampidirin'i Mirindra 26 Jan 2011, 08:29
  14. :-)

    Nampidirin'i DadaRabe 26 Jan 2011, 15:03