ILAY VARAVARANKELY (Valin-kira ho an’i DOX)
Nampidirin'i dadarabe | 29 Aog, 2009
ILAY VARAVARANKELY (Valin-kira ho an’i DOX)
Fahazaranao ny mandalo eo sy mitazana azy
Dia mamazivazy…
Sy mankafy ny hakantony…fahasambaranao,
Anjely milalao,
Mitsiky ka mitsiky,
Tsy aritrao mihitsy !
Dia tena safononoka, salanitra hatrany
Ianao tamin’izany !
Dia faly sy efa nino fa haharitra ombieny
Ilay varavarankely
Fitsinjonao mazàna…
Oh afo mpanafana !
Kinanjo tampotampoka nikantona sy nihidy,
Nanjary nampangidy
Ilay varavarankely ka tankina ianao…
Tsy hita izay natao !
Tanondrika nivena
Sy nangenahena.
Moa niova lasy izy dia any tsy hita intsony
Nanidina ny fony ?
Sa lasana nisinda satria mpandalo ihany
Namonjy ny akany,
Ka varavarankely
No sisa manirery ?
Dia gina ianao nijery
…Ilay varavarankely !
DadaRabe
27/08/09
Misaotra an'i Dadarabe!
Nampidirin'i maeva74 30 Aog 2009, 05:37Ilay masonao mitopy mijery ahy
Injay rehefa izaho irery no eo am_baravarankely
tena niakatra ilay aigam-panahy ry DadaRabe rehefa samy maminavina ny mety ho tohiny isika rehetra an.
Nampidirin'i ikalamako 30 Aog 2009, 10:30Atokisako e !!!
Misaotra o.
Maeva74> Ilay varavarankelinao :)
Ikalamako> Mbola samy lasa saina daholo hoe inona ihany ary ilay varavarankelin'i Dox dia lasa ny ainga koh !
Nampidirin'i DadaRabe 30 Aog 2009, 11:19Samy mitsiky eo am-baravarankeliny kah ! miova fotsiny angamba ny ora fandalovan'i Dox :-)
Nampidirin'i mangamaso 30 Aog 2009, 14:10Misaotra fa mahafinaritra ry DadaRabe
Raha ny azoko izany dia tsy mifanandrify intsony ny ora fivoahan'ilay tovovavy sy Dox ?
Nampidirin'i DadaRabe 30 Aog 2009, 18:59ha haha ha ha ha
Diso izany Dox fa tokony ho nanontany fa tsy nadalo sy lasa saina fotsiny koh ! marina mafy !
Na izany na tsy izany dia mino aho fa nisy varavarankely hafa feno tsiky nivoha teo fandalovany avy eo e ! tsy tapitra teo ny fiainany kah !
Nampidirin'i mangamaso 30 Aog 2009, 21:05Varavarankely hafa sa varavarankely any an-kafa ?
Nampidirin'i DadaRabe 30 Aog 2009, 23:00Ataoko fa lasa nanao vakansy izy ka ! Miandry kely ny bandy e !
Nampidirin'i kdaombaramita 31 Aog 2009, 12:19Hi hi ! mety ho izay tokoa. HOy ny ntaolo hoe aleo manontanintany foana.
Nampidirin'i DadaRabe 31 Aog 2009, 16:19Mety lazaina koa angamba ny hoe varavarankely feno tsiky any an-kafa, sa ? Iza amin'izy roa no nandeha any an-kafa ?
Nampidirin'i mangamaso 31 Aog 2009, 21:04I Dox kosa angamba tsy lasa tany an-kafa fa dia nanantena varavarankely teo foana. Fa ilay tovovavy, moa nampitsiky varavarankely tany an-kafa indray va izy ?
Nampidirin'i DadaRabe 31 Aog 2009, 21:49EFa tsy anjara hoy ny gasy izay. HA ha ha
Ka tsy ho tapitra mihitsy anie ny fanontaniana, iza ary no mba hanome ny valiny tena marina ? :-)
Nampidirin'i mangamaso 31 Aog 2009, 22:22I Dox efa lasa niankandrefana dia ny mpanao enquête sisa é! :))
SAhala amin'ny enquête rehetra ilay acteur principal lasa mialoha :(
Nampidirin'i DadaRabe 31 Aog 2009, 23:05Aoka e ! tapitra ny amiko, miandry valin' ny enquête nareo :)
Nampidirin'i mangamaso 31 Aog 2009, 23:16Tapitra ahoana ny aminao ? aoka re marina mafy !
Nampidirin'i DaraRabe 01 Sep 2009, 00:22Tapitra amiko ny miresaka varavarankely (DOX) fa ahoana indray?
Nampidirin'i mangamaso 01 Sep 2009, 00:43Ouf ! noheveriko fa tapitra ny aminao :))) (nuance)
Nampidirin'i DadaRabe 01 Sep 2009, 09:54!!! Miakatra mihitsy ny hevitra ato izany marina... :-)
Nampidirin'i Tritriva 01 Sep 2009, 11:04Ie, soa ry Tritriva fa tsy teny tritriva no niafaran'ny tantara fa ilay varavarankely fotsiny no nihidy
Nampidirin'i DadaRabe 01 Sep 2009, 11:23Misaotra amin'ilay tononkalo.Lasa saina tokoa mamaky azy....inoako fa samy nahita izany varavarankely izany daholo isika...asa taloha fony mbola mpitovo.....tsiahy sisa no tavela.Raha mba lasa varavarambe mantsy ilay varavarankely......
Nampidirin'i malagasycool 02 Sep 2009, 21:10