AZA KAROHINAO
Nampidirin'i dadarabe | 3 Aog, 2009Aza karohinao izay momba ny fiainany,
Na ireo fanaintainany
Na ireo fifaliana afeniny ao am-po,
Tandroviny tokoa
Ka tsy tiany aseho
Sy tsy asiany feo.
Aza anontaniana ireo tsiambaratelo
Izay hitanao mihelo
Ao anaty masony kanefa dia koboniny
Fihininy, tazoniny
Satria izay no sitrany…
Tsy fantatrao ny dikany !
Aza vinaniana ny anton’ireo tsiky
Nihelina dia dify…
Sy ny hevitry ny teny naloakany tsy nahy,
Nateliny indray
Dia nihery tao am-pony…
Tsy ho henonao intsony !
Aza fongarinao ny rakitry ny ela
Tsy foiny ho an-tserasera,
Aza takarinao ny ampitso feno nofy
Iondanany an-toky…
Fa eo izy androany
Dia tiavo fotsiny ihany !
DadaRabe
16/07/09 0 :00
Misy "inspiraka" mihintsy ianao ry DadaRabe ka! Marina e! Tena sarotra be ny mino hoé tsy iainanao ireo teny voalahatra! Dia azo nofy fotsiny izany....dia mandeha ny penina?! Dadany izany!
Mahafinaritra e!
(coucou kely ho an'i Thierry Andriamirado... sur...netlog angamba izay)!
Nampidirin'i Pone 15 Aog 2009, 19:50Ha ha ha Pone !
Raha iainana daholo dia hanao ahoana ?
Miarahaba anao aloha tonga eto fa elaela tsy hita.
Nampidirin'i DadaRabe 15 Aog 2009, 21:16Hay ve ianao ity mba mihomehy be ohatr'izany e? Ataoko ho sérieux be mihintsy!
Nampidirin'i Pone 17 Aog 2009, 11:52Mandalo eto foana ka! Mahafinaritra ahy foana ny mandalo eto ka! Maika moa mahita izato asa soratra! Voasarika tanteraka, mba tontolo hafa loko @ ady lahy politika mameno ny fiainana malagasy e!... Hihihihii....mitady haka ny volontsoratrao ity tanako tsy mety mahasoratra andininy iray!
Ary tsy naka vakansy taty an-tanindrazana angaha t@ ity taona ity?
Mirary soa e!
Hay moa tsy mihomehy tokoa aho ! lalina indray izany !
Eny é ! dia mbanihomehy ary tamin'iny :-)
Manorata asa-soratra ! tereo ny tanana (saingy aza tapahina raha tsy mety an). Hanoratra foana izy.
Nampidirin'i DadaRabe 17 Aog 2009, 13:05Izy koa hanoratra fa na mety hampihomehy be na mety tena hahasosotra fa tsy hety milay be ohatra ny ataonao! Fa raha haiko koa io, nisy efa @ km maromaro ny soratà nana vita ohatr'izay, nampitohy elanelana isan-karazany....hihihi....à foce miresaka aminao eto....toa ho lasa poeta aho izany marina! ...hihihi....tiako be!!! Mazotoa e!
Nampidirin'i Pone 17 Aog 2009, 14:50Mazotoa !
Nampidirin'i DadaRabe 17 Aog 2009, 17:48DadaRabe o, voaraiko ny hafatra fa misaotra. Tsy mankany tsony zah fa dia misaotra anao na dia izany aza.
Nampidirin'i soanja 18 Aog 2009, 05:21Nahoana ry Soanja ? nefa dia niandry tany amin'iny mhitsy aho.
Nampidirin'i DadaRabe 18 Aog 2009, 11:35NIsy hafatra napetrako aza tany
Tsy izany fa efa ela aho niala tao satria lasa tsy nifanaraka tamin'ny tanjoko intsony ilay tao. Antsoy raha afaka ianao androany alina aty aminay. Efa niresaka tamin'i Jimmy ve ianao? Izy nangatahiko ny numero-nao fa afaka miantso aho indraindray tsinona. Misaotra indrindra. Mba alefaso amin'ny email-ko ny hafatra raha possible o. Mampamangy indrindra.
Nampidirin'i Soanja 18 Aog 2009, 15:32ie vao niresaka taminy mihitsy ao satria miaraka ao izahay.
Nampidirin'i DadaRabe 18 Aog 2009, 16:08Antsoiko ianao.