NY NOFINOFINAO

Nampidirin'i dadarabe | 11 Jol, 2009




Ny nofinofinao no entiko miaina
Sy entiko misedra ny andro be migaina
Ary ireo hariva mangitsy, mamanala…
Ekeko an-tsitrapo, lalaiko tsy an-kisala,
Ventesiko raha alina,
Any an-torimaso lalina.

Ny nofinofinao no lasa fitsinjovako
Ny androko ampitso… Ary fitsilovako
Ny haiziko mikitroka nezahiko hazava,
Mitantana ahy hitraka, fanilo mampisava,
Mpitondra ny maraina,
Mpamelombelona aina !

Ny nofinofinao no sisa nofinofiko,
Mampihiratra ny saiko, manafaka ny rofiko
Ka entiko miampita ny ho avy mistery
Fa ny ahy ireny nofiko, nisinda sy efa very…
Nalevin’ireo jaly,
Nindaosin’ny omaly !

DadaRabe
10/07/09