DEMOKRASIA HAFAKELY

Nampidirin'i dadarabe | 3 Mar, 2009




Handrodana satria…
Mamy ery ny seza !
Ka lendalenda erỳ !
Fa may ny  te ho ngeza !

Handrodana hatrany !
Matsiro be ny saosy !
Hangarona vilany !
Hameno ny sakaosy !

Hianjera izay hianjera !
Ho rava izay ho rava !
Fa izy mila afera,
Fa izy mila drala !

Ampio aho rey vahoaka !
Fa mila tosi-tanana !
Vonjeo aho rey vahoaka !
Fa sao dia tapa-tanana !”

Handrodana aho vahoak’ô !”
………………………………
Kanefa hatram’izay,
Ny hany mba napoaka ?
…Tsy misy na dia iray !

DadaRabe


18 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "DEMOKRASIA HAFAKELY"

  1. Misaotra dadarabe a!
    Mafy ny ataky aty e!

    Nampidirin'i news2dago 01 Feb 2009, 18:29
  2. misaotra dadarabe a!

    Nampidirin'i tokinao 01 Feb 2009, 18:46
  3. Fisaorana ho antsika rehetra.

    Hanjaka anie ny mazava !

    Nampidirin'i DadaRabe 01 Feb 2009, 20:03
  4. Asa ihany lahy izay hiafaran'izy ity.
    Ireo gadra afaka, mandeha miriaria.
    Ireo mpivarotr'entana, manondrotra prix.
    Ireo mpianatra, année blanche? sanatria !

    Nampidirin'i LeRastah 01 Feb 2009, 20:44
  5. LeRastah>>
    Année blanche ? loza raha izany
    Tena mahakivy ilay tary be vinany
    Aiza ka vahoaka efa drodroka io
    mbola handefasany loza sy tadio !

    Nampidirin'i DadaRabe 02 Feb 2009, 01:15
  6. Tsy te hahalala,
    sa adala,
    ireo mpandroba
    an-tobatoba
    sy mpandrava?
    gidra lava,
    savorovoro,
    an-kandoro
    sy an-kangalatra
    zavatra
    tsy hitondra aiza!

    Ratsy taiza
    ilay vahoaka,
    tsy ampy laoka
    tsy ampy vary
    ka manjary
    mora atao
    kilalao.
    Nefa indrisy
    re fa misy
    tsy valahara
    ilay tantara.
    Politiaka
    ra mandriaka
    sisa re
    amin'ny tele,
    internety
    sy gazety.
    Tsisy ezaka
    tsy fezaka
    ny hioitra
    mba mipoitra
    fa fahoriana
    toa iriana.

    Mampivanaka
    ireo izay maka
    izay tsy azy:
    Mokonazy
    no misaina
    enti-miaina.
    Izay mijoro
    moa voadoro,
    Ny fananam-
    panjakana
    zary may.
    Ary izay
    mba toakaren'
    ny firenena
    dia hadino!

    Fa manino
    moa rehefa
    samy zefa
    ireto olona
    mitolona,
    ovy paiso
    fa milaiso
    ampahibemaso
    toa malaso,
    raha avela
    hilelalela,
    hanapotika
    sy hifandrotika
    dia very avokoa
    izay tombontsoam-
    pirenena ?

    Marary sy onena,
    Sadaikatra ny tena
    Te hanafin-tava
    te hisitri-dava

    ... satria malagasy

    Nampidirin'i "tia tanindrazana" 02 Feb 2009, 04:39
  7. manao ahoana daholo aloha isika rehetra fa zao vao tafandalo e, mirary taona sambatra hoan'ny tsirairay avy, eny somary tara vao tonga fa dia hialana tsiny.Misaotra DdRb @ ireo tononkalo fa dia mampalahelo tokoa ity mahazo antsika fa dia mahereza hatrany daholo.Tsy dia afaka mandalo matetika firy intsony fa dia manohana anareo hatrany ny akama e.

    Nampidirin'i Malala13 02 Feb 2009, 07:47
  8. Aleo za hipetraka
    Haka saina tsara
    Handinika ty resaka

    Fitiavam-bola ve?
    Sa fanirian-tseza be!
    No toa odian-tsy hita,
    ny mpiray tanindrazana!
    Atao tohatra hiakarana
    hananika ny lapa!!

    handrombam-pahefana!

    Aoka hisaina ry vahoaka!
    Andeha hifofotra hiasa
    Hanarina ny rava

    Nampidirin'i tsiafoi1 02 Feb 2009, 10:47
  9. Nofy revy lasa lavitra
    Any an-tanin'i devoly,
    Tsy maniry ny hivoatra
    Miady lava tsy afak'ory.

    Ô ry Tompo ô vangio,
    Ireto fon-janakao,
    Mifamono ka ovay,
    Fenoy ny fanahinao.

    Nampidirin'i Kdaombaramita 02 Feb 2009, 12:19
  10. Misaotra ny rehetra !

    Tena hoe mampalahelo
    Misy ireo mitondra helo
    Aparitaka eto an-tany
    dia eto Dago izany !

    Be ny maty sy naratra
    maro koa no vaky tratra
    Nefa mihizingizin-teny
    ilay nitarika azy ireny

    Dia antsika no mahita
    ireo nataony sy izay vita
    Ka dia mahereza lahy !
    HO anareo manam-panahy

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 02 Feb 2009, 13:29
  11. Misaotra amin'ilay tononkalo ddRb a! ilay foto-pisainana iniana volena ao amin'ilay sarababem-bahoaka no tena mahamenatra. Rahoviana no tafarina amin'ireny? Tsy lefy akory ny fofon'ny 2002, dia ity indray! Tena be ny olomanga fa vitsy ny olo-marina e? Sady ontsa no very fanahy, te hotroatra nefa manahy, mpifahavalo ary ve sa mpirahalahy? raha hiady, izaho tsy sahy; fa kosa manana mpiahy! Ho, ho, ddRb toa mitady hahay toa anao koa ty izaho.....hihihi Mahereza daholo e! Nampidirin'i Pone 02 Feb 2009, 15:52
  12. Mci am'ilay tononkalo é! Nampidirin'i Pone 02 Feb 2009, 17:55
  13. de ahoana zany izao ireo mpanao gazety,radio,télé nanara dia an i tgv ireo?

    nihezaka namilafila sy namafy lainga ary namendrofendro ery tamin ireny andro ireny,lazaina fa "fitondrana efa mirodana ho azy,tranombarotra may ohatran ny tompony,......"hoy ny radio don bosco,aiza anefa izao?
    tsy mahatsiaro ho afa baraka ve nareo amin izao,
    ny radio:R.D.B(radio don bosco)radio viva,radio antsiva,ECEEM radio,ma fm

    ny tele:viva,ma tv

    ny gazety:midi madagasikara,telonohorefy,gazetiko,malaza,...

    ny internet:sobika.com,madagate.com.....

    Nihezaka nahely daholo fa tena gravy be eto amin ny tanana,tsisy fika intsony ravalomanana ary efa handresy ny tgv,betsaka e....

    Teo moa ny manaratsy andravalomanana tsotra izao,teo ny psychopathe tsotra izao toy ny madagate.com

    Aiza nareo izao?.dia mbola ho sahy hitsangana ve ianareo hiteny hoe filohampirenena ravalomanana?tsy menatra....
    Ny karazan olona toa anareo mihintsy no tena fahavalom pirenena,sy mpanararaotra

    ireo mpanohatra moa dia hita fa tsy fitiavana tsotra izao.Ny an i tgv sy alain ramaroson, nadine ramaroson moa dia fialonana tsotra izao

    Ary ho an ny radio don bosco manokana,afabaraka aho hoe katolikakay ve ny monseigneur oddon nivolala ka tena nino fa i tgv no filamatra izao ka dia nandeha nirona tany amin ny misy azy tany?tsy tsapanao ve ny soa afafy aminao ka hitady ny mana avy any andanitra izay tsy fantatra hoe inona?

    mahamenatra................
    ho fehiny dia nandresy ny vahoka hendry,manana faharetana,nandresy ravalomanana satria efa izy no mendrika hitondra an i madagasikara

    Masina tokoa ny firenena

    Nampidirin'i za 03 Feb 2009, 02:11
  14. za 03 Feb 2009==>

    "Psychopathe" hoe ? ahoana kou izany ?
    Kôzy tena vrai ve ? sa resaka vinany ?
    Ohatry ny tsy mampino, toa mahagaga ihany.
    Sao kosa ise dia mba mananihany ?

    Nampidirin'i LeRastah 03 Feb 2009, 10:28
  15. Tsy mananihany ry nao a,
    efa re tsotra izao,
    ity fiteny tafahoatra
    tao anaty nampitroatra

    Nefa anie ka diso tompo
    ity niteny zay maloto
    indro inona no teo
    lasa lefy ilay feo

    Dia mbola ho sahy hono izy e,
    ireo gazety mankivisy
    tsy nahatsapa fa nirodana
    ity Andry niankinana tsara dorana !

    Firenena firenena e !"
    vahoaka be no nantsoina
    hay izy ity fitaka bevava
    nandrotehana an'i Gasikara

    Nampidirin'i Kdaombaramita 03 Feb 2009, 11:38
  16. Ny ampitso no hanambara
    Ny ho tohin'ny tantara
    Alao hilamina ny tany
    barakay ireo be vinany

    Ireo gazety sy ny hafa
    falifaly be mitafa
    Tsy mitsinjo izay hitranga
    Tena olona kinanga

    Mazotoa fa aza kivy
    na dia hoe misondro-bidy
    ireo entana eny an-tsena
    vetivety io dia hihena !

    Nampidirin'i DadaRabe 03 Feb 2009, 13:25
  17. Mahabe fanantenana ity filazanao ny momba ny ampitson'ny malagasy. Indrisy anefa fa efa tsy ao anaty ny voambolan"ny sasany intsony ny "filaminana". Mahavery fanahy mbola velona ity mitonontena ho "mpandàla ny demokratia" nefa lasa "mpanongam-panjakana" ity.
    Fa tsy azoko intsony koa ity tolona mandeha à double sens ity e! F'inona no marina e? Mbola "maire" ve sa efa "filoha"e? Danz mihitsy ny ati-dohan'ny mpitady seza an?

    Nampidirin'i Pone 04 Feb 2009, 06:51
  18. Mahay milaza ianao ry Pone !

    Nampidirin'i DadaRabe 04 Feb 2009, 13:48