Miarahaba (Mitondra sary vitsivitsy)

Nampidirin'i dadarabe | 13 Aog, 2008

Miarahaba ny rehetra,

Tsy dia misy vaovao fa dia faly miarahaba antsika rehetra.

Misy sary vitsivitsy ireto :

- Sary Mahajanga

- Sary St Denis

Izay indray aloha

 DadaRabe


Rabe Andriamanarivo Paoly


17 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Miarahaba (Mitondra sary vitsivitsy)"

  1. Misaotra an' i DadaRabe tamin' ireo vaovao sy ireo sary e.
    Mirary fahazotoana lalandava.
    "Hiaraka handresy" ... amin' i lehilahytsyresy :-)

    Nampidirin'i lehilahytsyresy 13 Aog 2008, 01:52
  2. tsisy poezia akory ! :-(
    Dia enjehina tokoa izao connexion-nareo izao kah !
    Aoka re marina ry DadaRabe lay manasa ilay tsy mahalavi-dalana (tonga dia tsaroako ilay hoe "mahantra ve ny Malagasy, lol)
    Dia mba mitsiditsidiha matetika amin'izay re Ramose fa efa ela tsy nitononkalo i pissoa, ry tsikisariaka nanepoka, tssss
    Dia mahavità be amin'ny adidy sahanina e, moramora amin'ny mosakiky fa manjary mitelin-drora tsy fidiny agnay.
    Veloma mandra-piblaogy indray ô !

    Nampidirin'i ikalamako 13 Aog 2008, 02:00
  3. Mijery ilay tahiry aho dia aprily 2 no eo dia avy hatrany dia aogositra 1!
    Dia mba nitondran' Dadarabe Motsakiky va re anay sa dia hampilendalendaina ihany e!
    Dia faly miarahaba an'i Dadarabe ihany koa i Harilova e

    Nampidirin'i harilova 13 Aog 2008, 05:26
  4. Miarahaba daholo é!
    Tsara ihany aloha fa tsy efenina ilay mosakikin'i Bord é!
    Fa amin'ny andro fakan-drivotra dia hipoka olona mihitsy eo ny hariva.
    Lehilahytsyresy> SAdy tsy resy no mandresy an!
    Ikalamako, Harilova> Nadao ary hikirimbarimba eny amin'nyh BOrd é!

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 13 Aog 2008, 10:37
  5. Tsy nikôzy DadaRabe hoe nandalo raha tsy izany dia mba nifankahita tao St-Denis.

    Nampidirin'i Kdaombaramita 13 Aog 2008, 12:19
  6. Kdaomaramita> Raha mba fantatro hoe tany nareo dia mba nifankahita.
    Izaho aza dia nirenireny fotsiny tao.
    Amin'ny manaraka é!
    Marina izany an !

    Nampidirin'i DadaRabe 13 Aog 2008, 12:33
  7. Misaotra amin'ny sary DadaRabe a. Farafaharatsiny izahay mba mitelin-drora amin'ny mosakiky lol.

    Tonga soa eto amin'ny blaogy indray e :-)

    Nampidirin'i pissoa 13 Aog 2008, 21:12
  8. Faly miarahaba indray Dadarabe a!
    Mia misaotra amin'ny sary e :).

    Nampidirin'i tokinao 13 Aog 2008, 21:40
  9. Pissoa> Lainga aloha lainga fa misy mosakiky tsara ao é! indrindra ilay lambiansy.

    Tokinao> misaotra é!

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 13 Aog 2008, 23:17
  10. Hono ho aho fa mba manitikitika ny saiko izy ity aza raha nahavoa anareo : rehefa mandalo any Dago dia manesokesoka ity sakafo "amoron-dàlana" (mosakiky, mofogasy, ramanonaka, mofo baolina, sns) rehetra ity ka ny tohiny dia akesokesoka koa ny fanafody kibo. Ny tena te-hihinana foana, ny kibo marary arytsy izaho irery no tratran'io. Tadidiko tsara fa reveillon de fin d'année t@ izay, sakafo izao, sady tsara voatra fa dia ny niafarany dia tsy nihinana mihitsy fa nipetrapetraka teo ambody varavaran'ny toilette ! Ha ha ha ! Mahagaga ahy ity manjary tsy mahatanty sakafo eto an-toerana ity nefa fahiny io no niainana.

    Nampidirin'i Kdaombaramita 14 Aog 2008, 07:01
  11. Kdaombaramita> zaho aloha mbola tsy tratran'ireny é (mosakiky, ramanonaka, sns) ! ny nahatratra ahy da ny charcuterie eny ami'ny mpivarotra. Ny rano @ paompy koa no tsy misotro mihitsy aho fa efa narary kibo.

    NA izany na tsy izany dia aleo fna mitandrina.

    Nampidirin'i DadaRabe 14 Aog 2008, 10:47
  12. Tonga soa eee
    manja dia manja tokoa ny sary :)

    Nampidirin'i simp 14 Aog 2008, 21:39
  13. Simp> eto indray é!

    Nampidirin'i DadaRabe 14 Aog 2008, 22:17
  14. Tonga soa dadarabe!
    tena misy voan-dalana marina

    Nampidirin'i news2dago 16 Aog 2008, 06:31
  15. Miarahaba an'i News2dago.

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 16 Aog 2008, 11:24
  16. faly miarahaba ny rehetra indray ô!
    Tongasoa razoky a, tena mampilendalenda ireto masikita e, mba tsarovy ny akama rehefa iny harivariva iny nareo eny @ bord e,misaotra @ sary ô, mahafinaritra tokoa,
    Vita indray ity ny vankasy.
    mazoto hatrany doly!

    Nampidirin'i Malala13 25 Aog 2008, 16:28
  17. Malala 13,
    Tao St Denis fa lavitra loatra ny any aminareo dia tao dia nijanona.
    :-(

    ie, mahafinaritra eny amin'ny bord sy ny maskita manitra.

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 25 Aog 2008, 21:23