SARY RIRININA St Pierre et Miquelon 2007-2008

Nampidirin'i dadarabe | 10 Mar, 2008

Miarahaba,

Rohy mankany amin'ireo sary rehetra.

Indreto misy sary vitsivitsy maneho ny ririnina eto St Pierre. Tsy mbola vita akory ny ririnina fa na dia izany aza efa mba azoazo kokoa izao.

DadaRabe

Ity ilay tanàna fony "été" ny andro :

 

RIRININ'I ST PIERRE 

Rininina mangitsy,
Ririni-tsy mitsitsy,
Manaikitra anaty,
'Reo rivotra mifafy.

Ririnina hafa kely,
Ririnina mamely,
Kanefa dia ihafiana,
Safidy sy niriana.

Ririnina mandalo,
Rinin-tsy hampimalo,
Ririnina tsy miera,
Ririnin'i St Pierre.

DdRb
SPM
09/03/08