IZAHO TSY NIOVA AKORY…

Nampidirin'i dadarabe | 5 Mar, 2008


Izaho tsy niova akory fa toy ilay fantatrao
Fotoana maro izay…..ny ora no nandao,
Ny andro no nisolo, ny endrika no niova
Nodiavin’ireo taona, narirariran’onja.

Izaho tsy niova akory fa mbola adaladala,
Vao mahita anao dia tsy mba mety miala
Fa mbola dobodoboka ny foko faly erỳ !
Toy ireny vanton-jaza vao mianatra fitia.

Izaho tsy niova akory fa iny mihazakazaka
Mikaroka ny soa, mifofotra tsy sasatra;
Toa tsy mba mety leo na dia solafak’aza,
Miezaka miharina, mitady izay sahaza.

Izaho tsy niova akory fa mbola manonofy
Tontolo vaovao, mangara ts’isy rofy,
Ka rehefa harivariva dia rafitra hatrany
Mandrindra tononkalo, milalotra vinany.

Izaho tsy niova akory fa mbola toy izany,
Toy ilay fahiny…. ilay fantatrao ihany,
Mbola miandrandra foana : « maraina vaovao »,
Mandroso akia ny taona….tsy niova akory aho !

DadaRabe
Marseille
24/01/02  12:20