MILA FITIAVANA (eritreritra momba an’i Madagasikara)
Nampidirin'i dadarabe | 19 Feb, 2008
Miarahaba,
Tsy ho lava resaka aho fa ny eritreritra manitikitika ny saiko no ambarako. Matetika aho rehefa miresaka aminareo namana, na mifanatrika , na an-telefaonina, na amin’ny internety ka miady hevitra momba ity Madagasikarantsika ity, dia maro ny lohahevitra tonga ao an-tsaiko. Ny tiako ho asongadina manokana satria izay no hitako lehibe indrindra dia ity ambarako manaraka ity.
« Na inona na inona ataontsika, na inona na inona tanjona heverintsika ho an’i Madagasikara, raha tsy misy ny FITIAVANA NY TANINDRAZANTSIKA dia zava-poana, eny, zava-poana ihany izany ».
Raha ny mpitondra, ny mpanohitra, ny vahoaka no miasa noho ny fitiavana tanindrazana fa tsy noho ny fitiavan-tena dia izay no fiandohan’ny fandrosoana.
MILA FITIAVANA na ny resaka, na ny ady hevitra, na ny asa, na ny ezaka sy izay rehetra ataontsika ho an’ny tanindrazantsika. Vetivety foana dia ho very ilay tanjona raha toa ka miala ao am-pontsika ilay fitiavana.
…Dia ilay fitiavana mirehitra ao anatintsika lalina toy ny afo sy fanilo manazava ny lalantsika ;
…Dia ilay fitiavana mampidoboka ny fontsika ka mahatonga antsika hiroso am-piravoana ho amin’ny asan-tanindrazana ;
…Dia ilay fitiavana mandresy ny fitiavan-tena ka hahafahantsika mahafoy ny fiainantsika, eny hatramin’ny aintsika aza raha ilaina ho an’i Madagasikara.
Tsy hifanerena ny fitiavana fa vokatry ny fo !
« Trafo-kena ome-mahery, am-bava homana, am-po mieritra ! ».
DadaRabe
19/02/08
"lovanao Madagasikara, hajao ny anao fa ny hafa tsy omeny" hoy i Rossy.
Nampidirin'i ikalamako 20 Feb 2008, 00:26oups ! (azafady fa :)
Nampidirin'i ikalamako 20 Feb 2008, 00:27"lovanao Madagasikara, hajao ny anao fa ny an'ny hafa tsy omeny" manko e
o ry dadarabe a ka na inona na inonange atao d emila fitiavana avokoa e
Nampidirin'i sazykely 20 Feb 2008, 08:21eny fa na dia n manoratra sy mamaly antsika eto aza e
misaotra dadarabe a!
Nampidirin'i news2dago 20 Feb 2008, 09:26mafinaritra fa tia tanindrazana isika mpiblaogy e!
ozy ny vaza hoe "la route de l'enfer est paves de bonnes intentions"
manomboka @ fitiavan-tanindrazana foana le izy fa na tsy manana an'le capacite hanao zavatra (leadership) le olona na mivadika zavatra hafa toy ny fitiavan-tena, fianakaviana, namana, fitiavana pouvoir diso tafahoatra...
Izay no ilana hamerana ny mandat an'ny mpitondra... indrisy anefa fa otran'ny tsy mandaitra loatra le izy. Isika kou moa lany andro manao brouillon @ le constitution sy rafim-panjakana ny tena marina e :)
Nampidirin'i simp 20 Feb 2008, 10:42Hay ve i DadaRabe azo iresahana an-telefaonina e.
Nampidirin'i Lehilahytsyresy 20 Feb 2008, 11:46Mba lazalazao an' i LTsiresy moa ny nomerao mba hiresadresahana e.
Mioùmbon-kevitra 100% Dadarabe a! Misaotra nampahatsiahy antsika e
Nampidirin'i Tokinao 20 Feb 2008, 11:51Ary raha be fitiavana nefa tsy misy atokona ?
Nampidirin'i tsikisariaka 20 Feb 2008, 15:16Soa fa nisy ny tsy azo tsapain-tà nana dia ny fitahian-Janahary nangatahana tamin'ny alalan'ny Vavaka. Vavaka natao tamim-pitiavana. Hay, soa fa nisy ilay fitiavana.
misy sahy hilaza ve hoe "tsy mila fitiavana" ?
Nampidirin'i Rajiosy 20 Feb 2008, 18:20Tsikisariaka :
Amiko manokana dia misy atokona daholo ny tsirairay hitiavana ny tanindrazana. Tsy voatery hamindra tendrombohitra mantsy vao mandray anjara ho an'i Madagasikara, fa rehefa mahavita mikaroka kely mampivoatra ny andavanandro amiko dia efa zava-dehibe izay.
Ankoatra ilay tsy hita maso io, hi hi.
Nampidirin'i pissoa 20 Feb 2008, 20:08Mamangy,
mankasitraka e !
Mila mahatsiaro an'io tokoa isika fa indraindray tonga fofona be fa hoe: "TIA TANINDRAZANA" dia "misosasosa" ary adino fa "ny FIFANAJANA, ny FIFANDEFERANA eo amintsika mpiray rà sy mpiray tanindrazana" no endriky ny Fitiavana tanindrazana voalohany dia manaraka ny sisa !
Mankahery antsika lalandava,
Olga HELISOA
Nampidirin'i Olga HELISOA 20 Feb 2008, 20:49Mamangy,
manasa HITSIDIKA ny tranonkala natokana ho an-dRAMBOATIANA Etienne "Bouboul" izay vao manomboka,
Mbola lavitra ezaka e !
http://www.freewebs.com/bouboul1/
Misaotra antsika rehetra,
O.H.
Nampidirin'i Olga HELISOA 20 Feb 2008, 20:54Miarahaba ny rehetra,
Misaotra nanome hevitra.
Ikalamako> Amin'io hiran'ni Rossy io dia misy hoe "hajao ny anao fa ny an tsy omeny"
sazykely> ie, mila fitiavana daholo izay atao. Raha tsy misy izany dia ho aim-bery sy lany ihany.
news2dago> Mahafinaritra. Tsy voatery hahazo seza fa n'aiza n'aiza no misy antsika dia afaka miasaisika.
Simp> izaho mitovy hevitra aminao hoelaina ny famerana ny mandat n'ny mpitondra. Na mitondra koa na tsy mitondra rehefa vonon-kiasa dia mahavita zavatra foana.
Lehilahytsiresy> Tsimbotry ve niaraka ihany isika dia adrisa vao hifanary. Fahiny aza niara-nanariva andro nitendry gitara dia tsy vao maika mahafinaritra ve raha mifampiantso é!
Tokinao> Dia mifampahery ary é! na any na aty misy foana azo atao. Sa ahoana hoy i Toky ?
Tsikisariaka> "RAha be fitiavana nefa tsy misy atokona". Atao ahoana raha izany é! RAha manao ka tsy ambinina hono, ampisambory fa havana ory. Izay tsy manao no mampalahelo.
RAjiosy> "misy sahy milaza ve hoe tsy mila fitiavana". Raha izaho manokana dia hoy aho hoe tsy hifanerena ny fitiavana. Raha misy milaza izany dia tsy omeko tsiny. Ny milaza fa "tia" nefa fitaka...io no omeko tsiny.
Pissoa> miombon-kevitra aminao aho. Tsy ny haben'ny asa no zava-dehibe fa ny asa vita tsara vokatry ny fo.
Olga> tena ilaina ny fifanajana. NA sanatria aza tsy misy ny fitiavana dia tokony hisy fara-faharatsiny ny fifanajana.
Bouboul ! hira no ao ? andraso jereko.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 20 Feb 2008, 22:03ASA SY FITIAVANA
Fa raha tsy misy intsony hitia ny mahagasy,
Afa-ts'izaho sy ianao dia izy koa angamba?
Dia hihombona isika, fa tsy hilasilasy,
Hamerina indray, 'lay habakaba-manga.
Dia hofongarintsika, 'reo very sy efa adino,
Nafenin'ireo lasa, ka zary taolambalo;
Hajorontsik'indray, ahatonga ny hafa hino,
Fa azontsika arodana, 'lay fefy mihalohalo.
Fa raha lasa izy, k'izaho sy ianao no sisa,
Dia atambatsika ny hery, tsy hiondrik’hitomany,
Na koa hifendrofendro na jenjin'hitanisa,
'Reo ady mbola atrehina, na sarotr'aza izany.
Mpirahalahy mianal'isika, k'ianao ataoko andry,
Izaho ho tokinao, hanivatsiva lalana,
Hifampahery fo, hanenjana ny sandry,
Raha toa ilain'izany, hanova ny lalà na.
Fa raha tsotsori-mamba, ka lasa koa ianao,
Kivy sy efa ketraka fa toa voatevateva,
Ka leon'ny lazon'ady, matahotr'ady vao,
Dia matokia ry lahy! bedaiko ilay faneva.
Fa ny asan-tanindrazana, tsy hiandrasana ny namana,
Ny asan-tanindrazana, tsy hiandrasana fananana,
Ny asan-tanindrazana, tsy an-tery na tambazana,
Fa ny asan-tanindrazana, dia "ASA SY FITIAVANA"
DadaRabe
Nampidirin'i DadaRabe 20 Feb 2008, 22:06Marseille
22/02/00 16:30
Izay mihitsy no izy ry DdRb sy i Pissoa a ! Izay tsy manao no mampalahelo. Ny hoe tsy misy atokona mantsy dia ny mahantra mihitsy no resahina fa inoako fa na dia mahantra tsy manana variraiventy aza, manana fitiavana sy hevitra vokatry ny fitiavany ao anatiny.
Nampidirin'i Tsiks 22 Feb 2008, 10:06Ny tiako tsipihina dia hoe ny fitiavana no mandeha aloha e ! fa matoa izy tsy manao dia tsy manana fitiavana izay (tsy tia), mpanoha-riana ? Ary ny fitiavana dia miainga amin'ny sehatra kely toy ny fampandrosoana ny tena, ny ankohonana, ny manodidina izay ahazoam-bokotra ho an'ny tanindrazana amin'ny farany.
Ahazoam-bokatra mantsy e ! (diso tsipelina fa azafady)
Nampidirin'i Tsikisariaka 22 Feb 2008, 10:09Miombon-kevitra aminao aho ry Tsikisariaka
Nampidirin'i DadaRabe 22 Feb 2008, 16:14Salama ianareo,
Sendra nitsidika dia nahita loha-hevitra tsara ka mba tia handray anjara.
Miombonkevitra @ ise aho hoe tokony ilay fitiavana ny tanindrazana no hibaiko ny asa ataontsika ho an’i Madagasikara.
Kanefa ny olana ry zoky dia tsy mba notaizana t@ izany fitiavan-tanindrazana izany isika. Tsy novolavolaina tanatin’ny « patriotisme ».
Isika @ izao génération izao no tokony hanabe ny zanantsika ho amin’izay fitiavana ny tanindrazana izay.
Ho « Malagasy et fières de l’être »....Raha mandinika anefa ise dia toa gasy=ratsy no raiki-tampisaka ao anatin’ny sain’ny malagasy maro...
Mila ovaina hono ny toe-tsaina…vao zaza bodo aho dia naheno izay, efa manatona ny taona telopolo nihainako aho ity toa tsy hitako izay niova !!
Samy tsara daholo
Nampidirin'i Tsiky 26 Feb 2008, 10:55Manao ahoana i Tsiky,
Eny, notazaina tamin'ny fitiavan-ta ny ankamaroan'ny olona. Tsy ny RAy amn-dreny angamba fa ny fiaraha-monina mihitsy.
Tokony hiezaka koa ny tsirairay fa ny mahatonga ilay fidinan"'ny "estime de soi" dia ilay zamisy manodidina hita.
MIla ovaina ny toe-tsaina. Nefa mila fantarina aloha hoe inona no tsy mety ary tokony ovaina. Dia ahoana no fomba hanovaà na azy.
RAha tsy izany dia holasa ihany araka ny filazanao ny telopolotaona manaraka ny eo ihany no ho eo na sanatria ary hiharatsy.
Izay fa dia misaotra Tsiky nampazava ny hevitray à !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 26 Feb 2008, 12:12Efa misy izao ny ezaka hanandratana ny maha-Malagasy, maha-gasy mihitsy mantsy e ! ny teny, ny vokatra, ny olona, ny tanindrazana. Tsy vita iombonana izany io fa ezaka tokony imasoan'ny tsirairay izay te-hanandratra sy hanindraindra. Rehefa atambatra ireny dia tonga maro ihany. Ireny tsirairay ireny mantsy no hifanatona dia hanamban-kery dia ... misimisia ny toy izany.
Nampidirin'i Tsikisariaka 26 Feb 2008, 15:15