HOE "TIA"

Nampidirin'i dadarabe | 13 Feb, 2008

Tsy ny teninao hoe tia,
Tsy ny orokao doria,
Tsy ireny angola mamy,
Fa ny fihetsikao ihany.

Dia ny masonao mijery,
Rehitr'afo tsy mihery
Izay mitaratra any anaty,
Oh ! masoandro tsy ho faty!

Dia ilay tsikinao baliaka
Sy ny endrikao sariaka,
Izay mizara hafaliana
Sy mitory faniriana.

Dia ny hovitrovitrao
Sy ny hantahantanao,
Efa tosak'hasambarana
Toa nofy tsy hifarana.

Ireny no efa manambara
Sy mirakitr'ho tantara;
Nefa indraindray akia…
Mba lazao f'ianao dia "tia".

Dadarabe
Marseille
17/08/01  18:11